Nohitsahin’ny lamasinina : Nizara telo ilay lehilahy nitsotra teo ambony lalam-by

Kivy ratsy izay nahita ity fatin’olona teo ambony lalam-by. Nizara telo tanteraka ny vatany ary niparitaka tetsy sy teroa ny rà. Hatreto dia namono tena no niheveran’ny olona ity lehilahy ity. Tany Antanambehivavy, tanàna iray ao amin’ny manodidina an’Ambatondrazaka no nitrangan’izany, ny harivan’ny asabotsy teo. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia lamasinina avy any Moramanga ary niakatra tany Ambatondrazaka no nanitsaka azy. Tsy nisy na inona na inona azo natao intsony, ankoatra ny niantso ny havany sy ny tompon’andraikitra teo anivon’ny fokontany. Fantatra ihany koa fa olona mipetraka ao Antanambehivavy ihany izy io. Maro ihany ny olona no misafidy ny namoy fo avy amin’ny fitsorahana eo amin’ny lalam-by rehefa mandalo ny lamasinina. Misy anefa ny sasany no mihemotra amin’ny segondra farany dia lasa mitondra takaitra. Toa izany ilay nitsoraka tetsy Anosibe ary nikasa hiala, saingy tapaka ihany ny tongotra roa. Misy koa ireo izay mamo dia tafatory eo ambony lalam-by, toa izay nitranga teny Ambohijanaka. Ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa matetika dia manamora ihany koa ny fivezivezen’ny olona eny amin’ny lalam-by, indrindra fa aty amin’ny tanàn-dehibe.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire