Olona telo mianaka sy karàna iray no voarohirohy amina fanondranana sokatra tsy ara-dalàna. Notsaraina teny Anosy, omaly, ny raharaha. Araka ny fantatra, ireo telo mianakana no nampitondrain’ny karàna iray ireo biby ireo, miisa 300. Rehefa taty an-drenivohitra anefa, tsy hita izay olona tokony handray ny sokatra. Sarona teny amin’ny faritra Ambohimanambola ireo zavatra ireo. Tsy nahita mpividy ireo olona nasaina nitondra azy. Teny amin’ny fitsarana, nangataka onitra hatrany amin’ny 65 tapitrisa arairy ny avy ao min’ny minisiteran’ny Ala.
Narindra stagiaire