Ampasampito : Vazaha saika hamono mpivarotena tamin’ny antsy

Gaga sady tezitra ny rehetra nahita ny fahasahian’ity lehilahy teratany vahiny iray sahabo ho 45 taona saika hamono tamin’ny antsy tovovavy mpivarotena iray tetsy Ampasapito, ny harivan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany. Romotra tamin’ny fihetsik’ity vazaha ity ireo olona nanatri-maso, ka saika raikitra ny fitsaram-bahoaka raha tsy voalamina haingana ny raharaha. Raha ny fanazavana voaray dia resaka ara-bola no fototry ny olana teo amin’ny roa tonta. Nalain’ilay vazaha avokoa ny vola rehetra teny amin’ilay mpampanofa tena sakaizany (niarahany efa ho roa taona). Tezitra ilay zanaky ny alina ka nitabataba taminy. Raikitra ny fifamaliana, niafara tamin’ny fifampikasihan-tànana. Nitsoaka ilay tovovavy avy eo, mbola nenjehin’ilay teratany vahiny ihany.
Rehefa tratrany dia mbola nodarohany sady nalainy ny « antsy pika » teny aminy, ary saika novonoiny raha tsy nosakanan’olona teo amin’ny manodidina, hoy ny fitantaran’ny iray tamin’ireo nanatri-maso. Raha ny angom-baovao hatrany, talohan’io ity vazaha ity dia efa nila vaniny sy nigafy tamina « bar » iray teny an-toerana. Mety nifangaro angamba ny toaka nitapoka rongony izay zava-mahadomelina taranja ankafizin’ity teratany vahiny ity, hoy ny mponina.
Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire