Commissariat central Tsaralalana : Tsy azo atao ny mitondra zaza amin’ny môtô

Jacaranda

Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly alarobia 11 novambra, ny komisera  Ratsirombahina Geramina lehiben’ny Commissariat central fa ho hentitra amin’ireo mpitondra moto tsy manara-dàlana ny mpitandro filaminana. Anisan’ny tsy hoekena ny tsy fanaovana aro loha ambony môtô, ny fitondrana  zazakely amin’ireny kodiaran-droa ireny ary koa ny fanaovana taingin-telo. Raha misy ny fahatrarana izany, dia tsy avela mandeha intsony ireo tsy manara-dàlana. Ankoatra izany, nanitrikitrika ity tompon’andrikitra ity, fa sazy henjana no miandry ireo polisy minia mitazam-potsiny ireo fandikana làlana ireo.

Voateny tamin’io fihaonana io koa, ny mikasika ny sarety eto Andrenivohitra. Efa misy ny lamina noraisin’ny tompon’andrikitra teo amin’ny polisy, ny minisiteran’ny Fitaterana ary ireo mpitarika sarety. Misy araka izany ny ora ahafahan’izy ireo miditra : ny maraina, amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 9 ora maraina; ny antoandro, amin’ny 11 ora sy sasany ka hatramin’ny 2 ora ary ny hariva amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva.

r.s.

Share This Post

3 Comments - Write a Comment

  1. ireo camion miditra antoandro be , averiko ndray, maninn no tsy asian resaka?

  2. faizo mafy ireo scooter moto mikavina, bisikileta, sarety miteraka bordel eto

  3. mamoromporona lalàna zao foana no mba hainareo an! tsy haiko aloha fa mba tokony misy na de arreté communal, na ministériel na decret koa fa tsy foronina blabla fotsiny .Ary reo camion mpitondra charbon sy hazo( misy autorisation fanalamanga ???) , tsy mba asina resaka ? sa efa misy écolage reny!

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.