Fihoaram-pefin’ireo miaramila sasantsany : Niala tsiny ny ministry ny Fiarovam-pirenena

« Ialàna tsiny, raha nisy zavatra tsy nety indraindray. Ny omby indray mandry tokoa, tsy indray mifoha ». Tenin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Jly Dominique Rakotozafy io, teny amin’ny birao fiasàny teny Ampahibe, omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety ny mahakasika ireo fihoaram-pefy nataon’ireo miaramila izy. Tato ho ato tokoa dia saika voatondro molotra ny Tafika, indrindra fa nandritra ny Hetsika Fahalemana, izay nanirahana azy ireo, any amin’ireo faritra mafana amin’ny halatra omby eto amintsika. Saika avy amin’ireo holafy maro miaro ny zon’olombelona no fiavian’izay tsikera izay. « Ekena, hoy izy, fa nisy tokoa ireo miaramila sasantsany mihoa-pefy. Efa ela tokoa mantsy no tsy nisy hetsika lehibe nataon’ny Tafika, ka mety hiakatra any an-dohan’ny sasany ny dia an-tongotra sy ny hain’andro migaina » Na izany aza, nanamarika ny minisitra fa tsy mpamono olona ny miaramila fa mety hahafaty olona kosa indraindray. Noho ny fiarovan-tena ataony na manoloana ny loza mitatao amin’izy ireo, toy ny fanafihan-dahalo amam-polony maro. Raha mikasika ireo mpihoa-pefy indray, toy izay nitranga tao Midongy Atsimo na tany Tsiroanomandidy, dia niaiky ny minisitra fa hadisoana ireny ary ialàna tsiny. « Efa nandray fepetra izahay. Efa mibaby ny nataony any am-ponja ilay miaramilan’ny Capsat, namono olona tany Midongy. Ary efa noesorina sy hanaovana fanadihadiana ireo telo lahy tany Tsiroanomandidy » hoy izy. Etsy andanin’izay, maro ireo mandefa resaka ratsy mahakasika ny asa ataon’ireo miaramila amin’ity hetsika Fahalemana ity, kanefa tsy misy akory ny olona mitory any amin’ireo toerana ireo. « Raha tena misy izany, tokony hitory ireo olona, ahafahan’ny tribonaly manenjika ireo izay mpihoa-pefy araka ny lalàna velona eto amintsika » hoy hatrany ny fanazavany.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

6 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. tena taraika be ianao ry foza

  2. raha matahotra jiolahy avy @ reo formation roa reo ramose de mamono tena fa any ampasana tsis anzany ok

  3. ref tsi mety am ranga ny asa fampandrina tany ataon’ny miaramila dia mipetraha de mamitsaha fotsiny ao

  4. Tena tsy misy vidiny tokoa ny ain’ny Malagasy amin’ireto olona ireto.

    Ary tsy mahavita azy hany ka miteniteny fahatany toy ny hoe : « Efa ela tokoa mantsy no tsy nisy hetsika lehibe nataon’ny Tafika, ka
    mety hiakatra any an-dohan’ny sasany ny dia an-tongotra sy ny
    hain’andro migaina ».

    Fa inona izany Tafita tsy manao entraînement izany ?

    Rahoviana voa hiomna amin’ny zavatra mety hitranga raha misy ny fahatairana ?

    Rehefa alohalika ny ranom-bary dia ahoana indray ? Hilaza fa be loatra ny rano ka tsy tana fa tsy zatra ny manao ny asa tokony hataony ?

    Karamaina amin’ny volabahoaka hanatavy tena fotsiny fa tsy hanao ny asa fiarovana ny Tanindrazana ?

    Mampihomehy sa Mampahonena ?

  5. Tsy efa maro ve izay maty notifirin’ny miaramila tsy nisy fanadihadihana nataon’ny polisy na zandary ary tsy nandalo fitsarana. Dia ho saronana @ fialan-tsiny fotsiny ve. Tsy aleo ve mba atao toy ny jiolahy aseho télé isan’andro ireny ireo miaramila nahavita heloka ka nisazy na nigadra mba hanamarinana fa tena nisy fepetra noraisina tokoa fa tsy resabe fotsiny ny an’ingahy minisitra

  6. Ny service légal (service militaire) sy ny académie militaire dia tokony akatona fa mpamokatra jiolahy sy fandaniana volam-bahoaka fotsiny

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.