Besarety : Nitsoaka ilay 4×4, nandona nahafaty vehivavy

Jacaranda

Mbola tao antin’ny delestazy hatrany. Vehivavy iray, manodidina ny 28 taona no namoy ny ainy tetsy Besarety, ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Araka ny fantatra dia nodomin’ny fiara ity vehivavy ity, saingy tsy nijanona ary tsy hita teny an-toerana ilay fiara nahavanon-doza. Tokony ho tamin’ny fito hariva tany ho any no niseho ny loza, raha ny fantatra teny an-toerana hatrany. Nandeha an-tongotra teny amin’ny sisin’arabe ity ramatoa ity no nofaohan’ity fiara, izay nandeha mafy tamin’iny lalana iny. Asa na hoe, tsy tazana na mamo ilay mpamily tamin’io fotoana io. Nipitika ary niakarapoka tamin’ny tany mihitsy ilay ramatoa. Saingy tsy nijanona akory, eny fa na dia hoe nitondra ilay ramatoa tany amin’ny hôpitaly aza, ilay fiara tsy mataho-dalàna. Ireo olona nahita no nitondra ity ramatoa ity tany amin’ny toeram-pitsaboana, izay fantatra fa voa mafy teo amin’ny lohany. Indrisy anefa fa tsy tana ny ainy nony tonga tany.

Fa mbola loza ihany, ny zoma lasa teo, tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, alohan’ny hiditra an’i Maevatanana. Olona iray no naratra mafy sy tsy nahatsiaro tena mihitsy raha nodomina fiara iray. Handeha hizotra any amin’iny renivohitr’i Boina iny ity fiara ity, raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Fa tetsy Ambohimangakely ihany koa, olona telo no naratra mafy raha nidona tany amina kamiô ny môtô nentin’izy ireo. Fa ambonin’izay, mpitondra biskleta iray, ihany koa no naratra, nandritra ny fifaninanana tetsy Anosy.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.