Talatamaty : Fanafihan-jiolahy, olona iray maty voatifitra

Jacaranda

Nisehoana fanafihan-jiolahy mahery vaika indray teny amin’iny faritra Talatamaty iny ny zoma hariva lasa teo. Vokany, vola an-tapitrisany no lasan’ireo olon-dratsy, olona roa kosa no niantefan’ny bala ka maty tsy tra-drano vokatr’izay ny iray.

Tao anatin’ny delestazy no nanantanterahan’ireo olon-dratsy izany. Maizim-pito tanteraka teny amin’iny faritra Talatamaty iny tamin’io fotoana io, araka ny fanazavana azo avy amin’ny Lehiben’ny borigadin’ny zandary teny an-toerana. Tamin’ity indray mitoraka ity, mpivarotra enta-madinika ambongadiny, sendra mbola nivoha tamin’io fotoana io no lasibatr’ireo jiolahy telo lahy nirongo fitaovam-piadiana. Tokony ho tany amin’ny fito ora mahery tany ho any no niseho ity trangam-panafihana ity. Tsy nampiseho basy ireto olon-dratsy tamin’io fotoana io, fa antsy lavalela no nandrahonany, ilay ramatoa tompon-tsena. Ity farany, izay avy hatrany dia nanome ny vola rehetra tao aminy, matiny nandritra ny andro. Mbola tsy fantatra mazava izay teti-bola marina, hoy hatrany ny fanazavana azo, fa mety mahatratra an-tapitrisany maro. Teny an-dalam-pitsoahana ireto olon-dratsy no nifanena tamina olon-tsotra roa. « Noheverin’ireto jiolahy fa handeha hanakana izy ireo, satria ny iray nitsilo tamin’ny finday. Ka avy hatrany dia norarafan’izy ireo ny basy » raha ny fanazavan’ny zandary. Niantefa teny amin’ny tratran’ny iray ny bala, ary nitolefika avy hatrany ity lehilahy ity. Nahazo ny tongon’ilay mpandalo iray kosa ny bala faharoa. « Nahazo ny tratran’ilay rangahy ny balana poleta nentin’ireo olon-dratsy ary nandoaka ny havokavony. Maty tsy tra-drano izy io. Naratra kosa ary nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana haingana ilay lehilahy faharoa voatifitry ny bala ». Dimy minitra taty aoriana vao nisy nampandre ny zandary, izay avy hatrany dia nigadona teny an-toerana. « Niezaka nanao savahao ny manodidina izahay, ary nanakana ireo lalan-kely rehetra izay mety hiporitsahan’ireto jiolahy. Nahagaga anefa fa nanjavona tampoka izy ireo », hoy hatrany ny fanazavana nomen’ny mpitandro filaminana. Efa mandeha ny famotorana amin’izao ary mitohy hatrany ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tsilian-tsofina teny an-toerana no nahenoana fa olona eo akaiky eo ihany ireto olon-dratsy nanafika sy namono olona ireto.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.