Kohen Rivolala : Saika novonoin’i Miandrivazo fa nanetsika devoly ny tanora

Jacaranda

Tezitra ny olona ary nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka an’i “Tictacdou” avy hatrany. Nilaza izy ireo fa leo ny fitaka sy ny asaratsin’ity milaza ho mpanasitrana ity.

Tsy naha-tictacdou an’Ingahy Kohen Rivolala ity indray mitoraka ity. Raha vitany ihany ny niala ny fitsarana maromaro azy teto an-drenivohitra, tany Miandrivazo kosa dia fitsaram-bahoaka no niandry azy. Ny antony dia noho ny hatezeran’ny ray aman-drenin’ny tanora miisa 70 isa. Ireto farany dia tsy salama ka isan’ny voasarik’i Kohen Rivolala tamin’ny hetsika fanasitranana nataony. Taorian’izay anefa, raha araka ny loharanom-baovao tao Miandrivazo, dia nihetsika avokoa ny devolin’ireo ankizy. Nitovy ny navoakan’ny vavan’ireo dia ny hoe “namanay i Kohen Rivolala”, raha araka ny fitateran’ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana ny raharaha. Nanao fitarainana teny anivon’ny kaomisaria tao an-toerana ny ray aman-dreny marobe. Vetivety dia niely tao an-tampon-tanànan’i Miandrivazo ny zava-nitranga ary niteraka hatezeran’ny mponina avy hatrany. Raha ny harivan’ny alarobia teo no nanomboka notazomina i “Tictacdou”, ny alakamisy dia efa tototra olona teo ivelan’ny kaomisaria. Tao ny liana ny hijery izany Kohen Rivolala izany, nisy ihany koa ny lian-drà hamono azy satria tezitra loatra. Ny fijerin’ny olona maro azy mantsy, eo ihany koa ny fomba fitafiny izay mivoaka amin’ny andavanandro, dia toa ireny mpanao asan’ny ratsy ireny. Rehefa hitan’ny pôlisy fa tsy ho voafehiny intsony ny olona dia niantso ny tompon’andraiki-panjakana tao an-toerana ny kaomisera. Nantsoina ny sefo distrika sy ny tonian’ny fampanoavana ary rehefa nohazavaina tamin’ireo ny zava-nisy dia nisy ny fandraisana fepetra haingana dia ny famindràna ny olona voakasika sy ny fanadihadiana azy eo anvion’ny kaompanian’ny zandarimaria ao an-toerana. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha fa nanao bemidina teny amin’ny biraon’ny zandary indray ireo olona marobe izay tezitra tanteraka tamin’ny zava-niseho. Hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly dia mbola nitokona teo ivelan’ny biraon’ny zandary izy ireo. Nohamafisina avy hatrany ny fiambenana izany toerana izany. Ny talata teo no tonga tao an-toerana i Kohen Rivolala ary nanao hetsika “fanasitranana”. Nisy ny olona tonga tamin’izany ary isan’izany ireo tanora 70 isa izay lasa nihetsika ambalavelona nony avy eo. Izay rahateo no nitarika ny olana. Tao amin’ny entan’i Kohen dia mbola nahitàna tapa-kazo marobe, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Tamin’ny tambajotra sosialy omaly dia efa marobe ny olona naneho ny heviny tamin’ity raharaha ity. Amin’ny ankapobeny dia samy nitàna ny sain’ireo ny hoe ho afa-maina indray ve i Tictacdou? Arahina ny tohin’ny raharaha.

D.R

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.