Imerintsiatosika : Tovolahy maty tsy tra-drano, maty voadon’ny fiara

Fiara iray, handeha hitodi-doha aty an-drenivohitra no nandona olona teny amin’iny amin’iny faritr’Imerintsiatosika iny, raha ny marimarina kokoa teo Katsoaka, ny alin’ny alakamisy lasa teo. Vokany, maty tsy tra-drano ilay voadona. Tokony ho tamin’ny valo ora latsaka fahefany teo ho eo no niseho ny loza, raha ny filazan’ireo manodidina. Feon-javatra nidona mafy, niaraka tamin’ny feona hisitra fiara sisa no henon’izy ireo. Rà nandriaka no hita teo amin’ny arabe. Voa mafy teo amin’ny lohany ity tovolahy, mananika ny 26 taona ity ka izay no nitarika ny fahatesany. Mponina teny amin’iny faritra iny ihany ity namoy iny ainy ity. Raha ny fantatra teny an-toerana hatrany sy araka ny nambaran’ireo mponina, dia toa hoe avy nifamaly tamin’ny fianakaviany ity ranamana niharan-doza ity. Tsy fantatra, hoy ireo mponina, izay niseho tao amin’ity fianakaviana ity. « Nirintona nivoaka ilay tovolahy ary toa efa nametra-beloma mihitsy. Taorian’izay dia io feon-javatra voadona sy rà mandriaka io ». Raha inoana ny nambaran’ireo mponina dia mety ho namono tena ve izany ity tovolahy ity ka nitsoraka tao ambany fiara sa nentin-katezerana ka nisososo teny an’arabe, tsy nahatazana ny fiara nandeha mafy ? Fanontaniana maro no manodidina izao loza teny Katsoaka izao. Ny fantatra aloha hatreto dia efa manao ny fanadihadiana rehetra ireo zandary any an-toerana.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.