Fakana an-keriny an’i Arnaud sy annie : Am-polony voasambotra, roa polisy, iray mpandraharaha ny fonja

Jacaranda

“Ny fahasimban’ny toe-tsaina sy ny hantsana migodana eo amin’ny mpanana sy ny mahantra ary ny olana ara-piarahamonina vokatry ny tsy fisian’asa, no tena nampirongatra ny asan-jiolahy eto amintsika izao, indrindra ity fakana an-keriny hitakiana vola be ity; izay tena nahazo vahana tao anatin’ny krizy mandraka ankehitriny”, izay no nambaran’Atoa Ranary Rakotonavalona Robertson, tonia mpampanoa lalanan’ ny fitsarana tampony, raha nanontaniana mikasika izao tranga na fakana an-keriny mitranga manerana ny Nosy izao, indrindra ny ao Toamasina izay efa nahitana tranga efatra herintaona monja.

Tsy handeferana. Ramatoa minisitry ny fitsarana ihany koa nanamafy fa, isan’ny politika napetraka eo anivon’ny mpitsara manerana ny Nosy ny famongorana sy ny tsy fileferana amin’ireo andian-jiolahy mpanao ity fakana an-keriny ity sy ny asan-dahalo. Raha ilay fakana an-keriny an’i Arnaud sy i Annie tao Toamasina izay miditra amin’ny herinandro fahefatra nitazonan’ireo mpaka an-keriny azy ankehitriny, dia miroso ary efa tena lasa lalina ny fanadihadiana izao nandritra ny fisamborana sy fisavana olona maromaro nataon’ny hery vonjy taitra ny polisy ary zandary avy eto Antananarivo manao iraka manokana. Efa mitsangana rahateo ny “cellule” manokana eo anivon’ny fitsarana ambony, izay tantanan’ny tonia mpampanoa lalanan’ ny fitsarana ambony sy ny fitsarana ambaratonga voalohany.

Olona am-polony. Nandritra ny fisamborana nataon’ireo mpitandro ny filaminana araka ny baiko midinan’ny “cellule” napetraka misahana ny raharaha, dia efa misy olona am-polony ankehitriny nohazonina hanaovana fanadiadiana lalina. Ny roa amin’izy ireo dia polisy miasa ao Toamasina, inspektera sy “brigadier”, izay efa voatonontonona tao anatin’ny tranga fakana an-keriny ity hatramin’izay, ny iray hafa kosa dia mpandraharahan’ ny fonjan’i Toamasina, izay araka ny angom-baovao dia mpihazona ilay finday fifampiantsoan’ny mpaka an-keriny sy ny ray aman-drenin’ireo zaza tsy hita. Ireo ambiny kosa olon-tsotra “mpibizina” avokoa izay misy vehivavy, nisy tamin’izy ireo nahatrarana fitaovam-piadiana, nisy koa nahatrarana porofon’ ny fifandraisany tamin’ireo fakana an-keriny nitranga; saingy ny roa amin’izy ireo no efa miandry fitsarana am-ponja raha efa novotsorana kosa ireo vehivavy roa, ireo ambiny kosa dia mbola mandalo fanadihadiana lalina hatramin’izao hamaritana ny helony. “Tsy misy anavahana amin’izao fanadihadiana atao izao, fa izay vandana dia kary, nam pitandro ny filaminana io, na mpitsara, na olon-kafa ihany, satria heloka be vava tsy azo ekena izany fakana an-keriny olona hitakiana vola be izany eto amintsika” hoy ny minisitry ny fitsarana tao Toamasina, izay mamonjy ny fihaonam-ben’ny filankevitra ambonin’y ny mpitsara atao ao Toamasina mandritra ny telo andro mifarana ny 12 desambra izao, ao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Victoria beach” Ampanalana.

Malala Didier


Share This Post