Ambatondrazaka: Mifampiambina ny samy mpino taorian’ny sakoroka tao am-piangonana

Ahiana tsy hiravona ny disadisa ao amin’ity fiangonana zandriny iray ity ao Ambohitsilaozana raha tsy misy fandraisana andraikitra hentitra ataon’ny tomponandraikitra. Samy mitsabo ireo naratra taorian’ny sakoroka tao am-piangonana izy ireo amin’izao fotoana izao, izay nahitana naratra tsy latsaky ny 10, hany ka lasa mifampiambina ireo tsy afa-po tamin’ny disadisa sy ny ady, misy mihitsy ireo izay tsy sahy mivoaka ny trano fa matahotra, ny vava tsy ambina izay natao. Raha tsahivina ny olana dia tsy fahafalian’ingahy mpitandrina tamin’ny fanaovana fampisehoana ny 01 janoary 2016 teo, ary niampy ireo izay disadisa nisy teo aloha ,satria voalaza fa sady filohan’ny fiangonana izy no mbola mitana ny volan’ny fiangonana ihany koa ka lasa nampivaky ireo mpino ka nahatonga ny fifampikasian-tanana teo amin ny samy mpiangona sy ny toraka tapa-biriky tao am-piangonana ny alahady lasa teo, ka nisian’ireo naratra ireo. Na dia nidina tao an-toerana aza ny mpitandro ny filaminana iny alahady iny dia mbola tsy dia milamina ny raharaha ankehitriny Andrasana araka izany izay fepetra horaisin’ny lehiben’ity trano fivavahana iray ity, satria ny tranon’Andriamanitra mihitsy no voazimbazimba.

Janus R  

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

3 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Ka hadino izany ilay teny manao hoe : »Didy lehibe no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo » ?

    Resaka fanodikonianam-bola io fa tsy resaka finoana tsy akory. Ny vola no ozatry ny fiainana ka Ingahy Rapasy dia tenda-kanina be araka ny fah|ita amin’ny Fiangonana rehetra !

    Mampahonena.

  2. · Edit

    tsy tafampita izany ny vaovao mahafaly e!

  3. Izao aloha no izy e : tokony harahina ny fitsipika mifehy ny fifampitondrana ao am-piangonana, izany hoe ny filoha hafa ny mpitam-bola hafa ary mangarahara ny asan’ny tsirairay avy mba ho voara-mason’ny mpikambana rehetra.
    Manaraka izany dia misy antana-tohatra afaka miteny sy mandravona ny disadisa fa tsy haka biriky sy kobay dia hifamono ao.
    Farany dia aoka mba homena karama mahavelona azy ny mpitandrina satria raha noana ny kibo dia mivezivezy ny fanahy ô!

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.