Ambositra: “Balan-tafondro” telo, hita tao ambany tetezan’Ambavatapia

obusFonjam-by hafahafa miendrika balan- tafondro telo no hita tao ambany tetezan’Ambavatapia, kaomina Ambohimanjaka, tamin’ilay lalam-pirenena fahafito iny, anelanelan’Antsirabe sy Ambositra ny talata lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia tany ambanin’ny tany tany izy ireo saingy napoitran’ireo vato, rehefa nirodana io tetezana io, ka nahatapaka iny lalam-pirenena iny ny faran’ny taona teo. Rehefa nosarihan’ny ranon’orana sy ny tariny dia nipoitra ity fonjam-by hafahafa ity ka hitan’ny fokonolona. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana. Tonga teny an-toerana ny zandary, notarihin’ny Kômandan’ny vondron-tobim-paritra. “Mbola tsy manana fanazavana betsaka azo omena amin’izy ireo izahay” hoy ny fanazavana nomen’ity tompon’andraikitry ny zandary ity, tamin’ny alàlan’ny antso an-telefaona. “Ny hany azo lazaina dia miendrika balana tafondro izy ireo na “obus”. Rehefa nojerena akaiky anefa dia tsy misy atahorana. Efa tena harafesina tanteraka mantsy izy ireo, raha ny fahitana azy ety ivelany. Tsy misy lohany intsony ihany koa ary tsy eo intsony ny “detonateur”” hoy izy. Na izany na tsy izany anefa dia tsy maintsy noraisina ihany ny fepetra tamin’ny fahitana ity karazana fitaovam-piadiana ity. Tsy fantatra mantsy sao dia hamoa-doza indray toa ilay niseho teny Langaina. Nalefa avy hatrany aty An-drenivohitra hotiliana ireto zavatra ireto, raha ny fanazavana azo hatrany. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay nandevina ireto fonjam-by miendrika bala ireto. Tombanana ho bala tamin’ny ady lehibe faharoa izy ireo raha ny fahitana azy ety ivelany. Azo heverina ihany koa anefa fa mety ho anisan’ireo fitaovam-piadiana niparitaka tamin’ireny raharaha 2002 ireny.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.