Itaosy: Vadina pôlisy maty notsindromin’ny jiolahy antsy

Lonilony, fihantsiana ? Vadina pôlisy mipetraka eny amin’iny faritra Itaosy iny no lasibatry asan-jiolahy. Namoy ny ainy vokatra izany mihitsy ity ramatoa ity, ny talata hariva lasa teo, taorian’ny tsindron’antsy maromaro nahazo azy. Araka loharanom-baovao teny an-toerana dia handeha hody avy nivarotra ity ramatoa ity, io hariva io, no efa nandrasana jiolahy maromaro. Tsy lavitra loatra ny toerana misy mpitandro filaminana anefa ny toeram-ponenany raha ny fantatra hatrany, ary na dia somary mangingina aza ilay làlana dia efa zatra izany ilay ramatoa, izay nandeha irery tamin’io fotoana io. Avy hatrany dia nanatona ireo olon-dratsy, izay tsy fantatra isa, naka ireo zavatra teny aminy. Tsy nisalasala kosa ny iray tamin’izy ireo nanatsatoka antsy azy. Vola teo amin’ny valo tapitrisa ariary kosa no lasan’ireo olon-dratsy. Rifatra nitsoaka avy hatrany izy ireo vao avy nahavita ny asa ratsiny. Voa mafy teo amin’ny lohany ity vadina mpitandro filaminana ity. Saingy mbola afaka namonjy ny tranony ihany, na dia teo aza ny rà nijininika. Noho ny halalin’ny ratra sy rà very anefa dia namoy ny ainy ity renim-pianakaviana ity. Tsy nisy nahita ny zavatra niseho, raha ny fanazavana azo, eny fa na hatramin’ireo vady aman-janany aza dia tsy afa-namonjy akory. Efa ity ramatoa ity nitsitra no novantanin’izy ireo. Efa eny am-pelan-tanan’ireo mpitandro filaminana ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Amin’izao fotoana izao tokoa dia tsy mifidy asiana mihitsy ireo jiolahy, fa na olon-tsotra, eny hatramina mpitandro filaminana sy ny akaiky azy ireo aza dia efa lasibatr’ireo olon-dratsy avokoa.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.