Ambalavao : Bibilavabe misy sofiny sady mitrena mampihorohoro ny mponina

Raha ny loharanom-baovao avy any Ambalavao, dia misy bibilavabe misy sofiny sady mitrena mampihorohoro ny mponina amina tanàna iray ambanivohitra mihataka kely ny renivohitry ny distrika. Olona maro no nilaza fa nahita maso an’ity bibilava ity. Ny alarobia hariva teo, zazavavy 13 taona no saika matin’ny tahotra tao an-tranony. Teo am-pikenonkenonana hampirehitra afo hahandroana sakafo izy no nitranga tampoka taminy ity biby, izay avy any aoriany no fiavian’ilay bibilava ary rehefa nifanatrika taminy dia nitsangana ilay bibilavabe ary nitrena sady namelatra ny sofiny.

“ Fanano “ ! Niantsovonjy ilay tovovavy kely. Taitra ny reniny, ka nidina ny tohatra haingana nijery ny zava-misy. Ankona izy raha nahita ny zanany vavy nifanehitra amin’ny bibilava lehibe sady be sofina. Niezaka nitsoaka izy mianaka ary naka rano voahasina tao anaty tavoahangy sady nivavaka tamin’Andriamanitra no nanondraka izany tamin’ilay bibilava. Lasa ity biby avy eo rehefa voan’ilay rano voahasina. Taitra noho ny antsoantso ny mpiray vodirindrindra, ka vetivety dia nitangorona liana tamin’ny zavamisy. Izy mianaka tao an-trano kosa tsy nisy nahahetsika, fa samy gina fotsiny teo. Tonga nijery ny zava-misy hatramin’ny Sefo fokontany, raha ny vaovao voaray. Misy milaza fa “ Fanano “ io, izany hoe : bibilava ipetrahan’ny fanahin’ny maty, izay inoan’ny olona sasany amin’iny faritra iny. Sady tsy nandà no tsy nanamarina ny amin’ny fisian’io bibilavabe io kosa ny mpitandro filaminana any an-toerana nanontaniana.
Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

2 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Efa mihamaina sy hafàna be indray ny andro

  2. Tokony naseho ny sary fa manjary tsaho!

Poster un commentaire