Ambatondrazaka : Mandrahona ny hitokona ny mpanarato sy ny mpivaro-trondro

Jacaranda

Efa mifampiantso sy efa misy fivoriana miafina ataon’ireo mpanangom-bokatra hazandrano aty Alaotra amin’izao fotoana izao. Raha ny lalàna navoaka mantsy dia nanomboka ny faha 15 novambra 2015 teo no nikatona ny fotoam-panjonoana taty Alaotra Mangoro ka hatramin’ny faha 15 janoary 2016. Nilatsaka indray anefa ny fampahafantarana roa andro alohan’ny fisokafan’ny rano fa hotohizana hatrany amin’ny faha 15 febroary 2016 izao indray izany fikatonana izany ka tsy nahafaly ireo mpikirakira ny hazandrano. Niteraka resabe izy io ny marainan’ny zoma faha 15 janoary 2016 teo ary nampahafantatra ireo mpanarato sy mpanjono ary mpivaro-trondro fa hanatanteraka  filaharana izy ireo ny Sabotsy faha 16 janoary 2016 izay, nanambaran’ny sasany fa hamakivaky ny tanàna sy eny amin’ny biraon’ny fandraharahana ny jono izany, filaharana

Janus R.

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. Manjary aminazy edy zay ! Raha efa 2 volana kosa ve ,trondro inona no tsy hanaranaka sy hitombo @ zany ? Sa de sady hamono ny asa fiveloman’ ny sasany no mamono ny mpihinana koa ?
    Ny any Itasy sy Vakinankaratra koa de 2 volana koa fa tsy mihoatra zany mihintsy ,fa ny fotoana fotsiny no tsy mitovy ny any Alaotra.
    RY TOMPON ANDRAIKITRA NY FIRAHARAHANA JONO o !: nahoana no efa 2 andro mialoha vao namoaka izany « decret  » izany ianareo ??? Mba « pro » fa tsy mamono vahoaka toy ny zazakely lava izao.Mahafantatra tsara ny Antony hanakatonana ny jono ny vahoakan’ Alaotra fa aza badoina e!
    Mihetseha ry mpanjono,hoy ny mpanohana anareo .

  2. Tokony hojerena aloha hoe « TOMBONTSOAN’IZA NO TSINJOVINA AMIN’IO FANAKATONANA NY FANJONOANA IO »! Izay vao mitokona na tsia! RAHA LANY TAMINGANA NY TRONDRO, IZA NO HO FAY EO????

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.