Halatra fitaovam-piadiana : Bala marobe nanjavona tao amin’ny toby miaramila



Jacaranda

Very ny bala marobe saingy samy miala…bala avokoa izay tompon’andraikitra nanontaniana. Ny herinandro lasa teo no nisian’izany tao amin’ny toby iray eto amin’ny manodidina ny renivohitra. Tsy vaky ny toerana fipetrahan’ny fitaovam-piadiana ary tsy nisy ihany koa ny halatra hita maso, saingy very tao anatiny ny bala marobe izay mbola tsy voafaritra aloha ny isany hatreto. Nisy ny fivoarim-be nataon’ny lehiben’ny miaramila ary nandalo tao anatin’izany, raha araka ny tsilian-tsofina io resaka io. Heverina ho efa andro maromaro na volana mihitsy aza no nitaterana tsikelikely ireo bala tao amin’ny fitoerany tamin’ny fomba mangina sy tsy hitan’ny maso. Tsy hita izany fahaverezana izany raha tsy tamin’ny fanisàna ireo fitaovana napetraka tao amin’ilay toerana, raha araka ny fantatra hatrany. Natao inona ireo bala ireo? Sanatria ve dia ho isan’izany ireo bala 119 isa izay nampiasain’ireo mpaka an-keriny tany Toamasina? Andrasana indray ny fisokafan’ny fanadihadiana satria be loatra ny loza afitsoky ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana.

D.R

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Mbola averina ihany fa ireto tafika ireto no tena mampisy ny tsy fahandriampahalemana eto Mcar.
    Karama be amin’ny volam-bahoaka,jeneraly marobe……Atao inona……..?

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.