Soavina Atsimondrano : Rangahy maty voadonan’ny kamiô

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’iny faritra Atsimondrano iny, ny alin’alahady lasa teo. Rangahy iray tokony ho 30 taona no maty tsy tra-drano rehefa voadonan’ny kamiô. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany no niseho ny loza, teo Ambany tetezana, Bongatsara, distrika Antananarivo Atsimondrano. Avy naka vokatra avy any Ambohibary Sambaina ity fiarabe ity ary handeha hitodi-doha hiakatra aty an-drenivohitra, raha ny fampitam-baovao azo. Tsy hitan’ny mpamily ity tovolahy ity, izay angamba saika hiampita ny arabe. Mafy ny fifandonana ary nipitika mihitsy ity lehilahy voafaokan’ny fiara ity. Ny dona mafy teo amin’ny lohany no nitarika avy hatrany ny fahafatesany. Raha ny vaovao hatrany dia toa hoe nahenoana fofon-toaka ity lehilahy namoy ny ainy ity. Taorian’ny fizahana natao dia nomena ny fianakaviana ny razana. Notanana natao famotorana tao amin’ny borigady Andoharanofotsy kosa ilay mpamilin’ilay fiarabe. Fa mbola lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona hatrany. Teny amin’iny lalam-pirenana fahatelo iny, ny alatsinainy hariva lasa teo, tany amin’iny faritra Anjozorobe iny. Lehilahy iray, tokony ho 50 taona eo ho eo, no maty tsy tra-drano ihany koa rehefa nianjera avy teny ambonin’ny môtô nentiny. Olana teknika teo amin’ity fitaovana ity no nahatonga ny loza raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.