Ankazobe : Fiara nivarina tanaty hantsana, iray maty, roa hafa naratra mafy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nisesisesy indray iny lalam-pirenena fahefatra iny tato ho ato. Ny marainan’ny alahady lasa teo, fiara marika “Renault” iray, nentina teratany srilankais no nivarina tany an-kady teo amin’ny toerana antsoina hoe Andoharano, kaominina Ankazobe. Maty tsy tra-drano ny mpamilin’ity fiara ity izay lehilahy tokony 63 taona. Naratra mafy vokatr’izany kosa ny mpandeha roa hafa tao anatiny. Marihana fa samy teratany srilankais avoka ireto tao anaty fiara ireto. Araka ny fantatra dia handeha hitodi-doha hiakatra ity fiara nitondra teratany vahiny ity no izao tra-doza izao. Somary nandeha mafy ihany io fiara io, raha ny fampitam-baovao. Tsy fantatra anefa na nisy olana teo amin’ny fiara, na tratry ny torimaso fotsy ny mpamily fa nivoaka ny lalana ilay fiara, ary namarana ny diany tanaty hantsana izay mirefy eo amin’ny 70 metatra eo. Tokony ho tamin’ny iray maraina teo ho eo no nitrangan’ity loza ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana niaraka tamin’ireo fokonolona namonjy ireto niharan-doza ireto. Tamin’izany no nahitana fa tsy nisy azo natao intsony tamin’ilay mpamily izay voa mafy teo amin’ny lohany. Nentina namonjy toeram-pitsaboana tao Ankazobe kosa ireo naratra. Napetraka tao amin’ny tranom-paty kosa ny vatana mangatsiak’ilay mpamily srilankais namoy ny ainy.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.