Mahazoarivo : Zandary roalahy nohosena tamin’ny taxibe fanahy iniana

Zandary roa samy miasa ao Mahazoarivo no nohosena taxibe 113 ny alin’ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny toerana fiantsonan’ireto fiara ireto teny an-toerana. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ireo mpitandro filaminana, dia samy naratra mafy izy roalahy ireto vokatr’izay loza izay ary voatery nalefa haingana teny amin’ny hôpitaly miaramila teny Soavinandriana. Efa tsy nitondra olona intsony ity taxibe ity tamin’io fotoana io. Nambaran’ireo mpanao fanadiahadiana fa toa natao fanahy iniana mihitsy ity fandomana mpitandro filaminana ity. Rehefa voafaokan’ ny fiara mantsy izy ireo, dia mbola niverenan’ilay fiara nodomina sy nohosena indray. Vita izay dia najanon’ilay mpamily ity fiara ity, ary lasa nitsoaka avy eo ity farany. Tsy nisy nahita izay tena zava-niseho ireo mponina teny an-toerana, raha ny filazan’izy ireo. Efa nitsirara teo amin’ny tany ireo mpitandro filaminana ireo no nisy nahatsikaritra ka avy hatrany dia nampandrenesina ireo namany. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary nijery ny zava-niseho sy nitondra ireo naratra. Notazomina kosa ity fiara “sprinter” ity. Efa fantatra ny tompony saingy kosa mbola eo am-pitadiavana ilay mpamily nahavanon-doza ireo mpanao famotorana. Valifaty, sotasota sa filam-baniny ? Raha ny fahitan’ireo teny an-toerana an’ity zava-niseho ity dia mety ho valifaty tsotra izao no nataon’ilay mpamily. Efa iaraha-mahalala tokoa ny fifanenjehana misy eo amin’ireo mpitondra taxibe sy ny mpitandro filaminana. Ny fanadihadiana ihany anefa no afaka hanamarina na handiso izany.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

3 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Tsy midika akory izany fa izany no tsy maintsy atao. Ianareo izany no toa very.
    Miteny fotsiny izahay fa misy zavatra tsy zakan’dra-namana matoa izy manao fanahy iniana ka angamba valifaty ny azy.Isika samy tsy mahalala fa aza be tsaratsara.

  2. Ka na misy tsy zakanao izao ve dia izany no atao e. Aiza àry nareo izany? raha hanao an’izany daholo dia aiza no hiafaran’ity firenena ity?

  3. Matoa misy olona mahavita toy izany dia misy zavatra tsy zakany nahazo azy,ny vy mantsy tsy mikotrana raha irery.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.