Ampiasain’ny mamany : Sipakely 15 taona fanjonoana olona ambony



Jacaranda

Mandeha amin’ireny toerana fandehanan’ny olona manan-katao ireny ilay tovovavy kely mbola tsy ampy taona sady tsara tarehy no tsara bika. Misy ny roboka dia mampiresaka ary izy rahateo tsy mandà ny miaraka amin’ilay olona. Tamin’ity indray mitoraka ity dia olom-panjakana mitazona andraikitra ambony iray no roboka. Tsy vitan’izany fa tena tafiditra amin’ny « fitaizana » ilay vehivavy mihitsy izy. Izany hoe niantoka ny ampahan’ny fiainany. Rehefa natoky tsara ity olona ambony dia nandeha ho azy ny fifankahitàna sy ny fifampiresahana amin’ny finday ary koa ny fandefasana hafatra fohy « sms ». Ny tsy fantatr’Ingahy manam-pahefana dia hay misy tetika maizina ao ambadik’izany rehetra izany. Toriana tampoka ilay olona ary natao porofo ny fifandraisana an-telefaonina rehetra nataon’izy roa. Rehefa nozohiana dia tsy iza fa ny renin’ilay tovovavy ihany no mpiketrika an’izany. Ny tanjona dia ny mba hanerena an-kolaka ilay tompon’andrakitra ambony hanome vola azy. Mahomby tokoa izany satria tamin’ity indray mitoraka dia nahazo efatra tapitrisa ariary ny maman’ilay zaza. Loharanom-baovao akaiky ny raharaha no nahafantarana fa efa fanaon’izy mianaka ity fomba iray ity. Vao niharan’izany vao tsy ela koa ny pasitera iray an’ny fiangonana zandriny. Nahazoan’ireo dimy tapitrisa indray ity iray ity. Midika izany fa lasa orinasa ilay zazavavy tsy ampy taona ary midika koa fa misy ny olona ambony roboka amin’ny fanjifàna fivarotan-tena, indrindra koa tamin’ity tranga ity, fivarotan-tena ataon’ny tsy ampy taona…

D.R

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.