Ambatondrazaka : Vehivavy voalaza fa mpamosavy nosamborin’ny mpitandro ny filaminana

Jacaranda

Nisahotaka ny vahoaka tao amin’ny fokontany  Avaradrova Ambatondrazaka ny marainan’ny  alakamisy faha 28 aprily 2016 teo raha naheno antsoantso fa misy mpamosavy voasambotra.  Vehivavy lehibe iray sahabo eo amin’ny 50 taona any ho any no nisitrika tao anaty   elakelan-trano iray tsy lavitry ny fiangonana. « Nalaza fa hoe mpamosavy tratra maraina e ,namorika azy ny ody ratsiny, hoy ny hafa dia izao tratra izao » ka vetivety dia vory vahoaka ny toerana, ary  samy te hahita ity ramatoa ity avokoa . Harona iray misy lamba famonosana faty (lamba tavoahangy )roa no hitan’ny fokonolona teny aminy ,miampy fitaratra sy taniravo ao anaty fonosana ary vakana iray .Samy tsy nisy sahy nandray ity vehivavy ity ny rehetra  , izy rahateo nanitrika ny tarehiny sady tsy nety niteny raha misy manontany, ka vao mainka nahamailo ny vahoaka tonga teny  .Tompon’andraikitra teny anivon’ny fokontany no niantso ny polisy ka nalaky ny fahatongavana sy ny fisamborana ary rava ny tangorona  .Rehefa  tonga teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ity vehivavy ity dia tsy niteny tsy nivolana ,ary voalaza fa olona marary saina araka ny voambara  ka tsy hita ny hanaovana azy .Mailo sy mitandrina ny vahoaka tato ho ato, hoy ny fanazavan’ny teny anivon’ny  fokontany taorian’ireny fisehon’ny Ambalavelona ireny ka samy mandray andraikitra avokoa rehefa misy tranga hafahafa  miseho.

                                                                                                                                                        Janus R

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. · Edit

    Nosamborina dia atao aiza ity vehivavy lazaina fa mpamosavy ? Anga eto Madagasika efa misy lalana manasay ny Mpamosavy sy ny Mosavy ?

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.