TOLIARA : Ramatoa saika may kila forehitra tao an-tranony niaraka tamin’ny zanany

Jacaranda

Tsy mety milamina mihitsy ny ao Toliara ao, ka mandry andriran’antsy ny ankamaroan’ny olom-pirenena. Afak’omaly alina (ny alakamisy hifoha ny zoma), tao amin’ny Fokontany Tsimenatse, dia ramatoa mananontena iray manodidina ny 40 taona, mipetraka miaraka amin’ny zanany no saika nisy nandoro tao an-tranony tamin’ny solika. Raha ny fanazavana azo dia naheno fofona hafahafa toa fofon-dasantsy sy setroka ny tompon-trano, tokony ho tany amin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any, ka taitra tamin’ny torimasony, ary nivoaka ny trano. Ny afo efa nirehitra teo akaikin’ny andrin-trano no hitany ka nanaitra ny manodidina haingana ity renim-pianakaviana ity sady niezaka namono ny afo tsy hiitatra. Soa ihany fa nalaky taitra tamin’ny torimasony ilay ramatoa, raha tsy izany dia mety zava-doza may kila forehitra tao izy mianaka sy ny fananany. Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray dia vao tamin’ ity fiandohan’ity herinandro ity io renim-pianakaviana io no nifindra tao amin’io trano io, dia izao tratry ny fampihorohoroana izao sahady. Sotasota sa fialonana sa asan-jiolahy tsotra izao ity doro trano niniana natao ity ?

Eric Manitrisa

Blueline Air Fiber

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.