RN7 : Kalach sy Mas36 sarona tanaty gony, maty voatifitra ny tompony


Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana. Miparitaka etsy sy eroa ihany koa ny basy maherivaika fitondran’ireo olon-dratsy manao ny asa ratsiny. Toy ity nitranga teny amin’ny lalam-pirenena faha-fito ity. Basy kalach iray niaraka tamina “chargeur ebonite” nisy bala fito no saron’ny zandary, tao anaty gony nentina rangahy iray. Tamin’ny alalan’ny fisafoana mahazatra nataon’ireo zandary tany an-toerana no nahatratrarana izao fitaovam-piadiana maherivaika izao ny alakamisy teo. Avy hatrany dia nosamborina ity rangahy ity, izay fantatra fa monina any Variaby, ao amin’ny fokontany Ambatoazo, kaomina Ambatosoa, ao amin’ny distrika Ambohimahasoa. Tamin’ny fotoana nitondra azy tany amin’ny biraon’ny zandary, saika hanaovana fanadihadiana anefa dia nitsoaka ny lehilahy. Nanao tifi-danitra hampijanonana azy ireo mpiambina azy kanefa vao mainka nanao tongotra an-katoka izy ka voatety nitifitra azy ireo zandary. Lavo tamin’izany ary maty tsy tra-drano ity rangahy tratra nitondra basy maherivaika, izay mbola tsy fantatra hoe saika atao inona. Fa tany amin’iny toerana ihany hatrany, ny alarobia indray, tany amin’ny fokontany Morahariva, ao amin’ny kaominina Ambalankindresy, disitrika Ambohimahasoa. Tokantrano iray no nahitana basy Mas36, tsy nisy bala. Tsy nanana taratasy mahasika ity fitaovam-piadiana ity akory ny tompon-trano. Ambonin’izay dia efa nokikisany ihany koa ny laharana famantarana ity fitaovam-piadiana ity. Torak’izany ihany koa ny tokantrano iray tany amin’ny fokontanin’i Besora. Tamin’ity indray dia basim-borona iray tsy nisy taratasy no hita rehefa nanao fisavàna ireo zandary. Bala calibre 12, telo indray no sarona niaraka tamin’ity basim-borona marika Baikal ity. Efa samy nentina nanaovana fanadihadiana avokoa ny tompon’ireto basy ireto, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.