Andilamena : Sarona ireo hazo sarobidy saika havoaka antsokosoko

Voamboana miisa hatrany amin’ny 323 no saron’ny kaominina sy ireo tomponandraikitra tao Andilamena ny fiandohan’ny volana May 2016 teo, izay hazo tsy nahitana taratasy moa araka ny nambaran’ny ben’ny tanànan’Andilamena , voatery notazonina ao amin’ny Tranom-pokonolona ao Andilamena ireo hazo ireo. Araka ny fanazavana dia nisy ny fanelanelanana nataon’olona ambony amin’ny tokony hivoahan’ireo hazo ireo ,ary nisy ny efa tafavoaka izay miisa 120 , ireo ambiny 203 sisa izany no mbola tavela ao amin’ny tranompokonolona . Ireo hazo 203 ireo no nampahafantarina ny teny anivon’ny tompon ‘andraikitry ny ala tao Andilamena ary efa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’itsy farany tamin’ny fanaovana ny fanadihadiana rehetra ary efa eny anivon’ny fitsarana ny raharaha amin’izao fotoana izao . Mirongatra izay tsy izy ny famoahana ny hazo sarobidy voamboana  raha ny fanazavana ary toa saika misy olona ambony hatrany no miaro azy ireny rehefa tratra . Na dia manao ny ezaka goavana amin’ny fanaraha-maso  aza ny avy ao amin’ny minisiteran’ny ala  aty Alaotra Mangoro dia toa mahita lalana hatrany ireto mpanao aferana hazo  ireto   eo rahateo ny tsy fahampian’ny tomponandraikitra ny ala amin’ireny toerana lavitra toa an’Andilamena  ireny.

Janus R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.