AMORON’I MANIA – Ambositra : Tsenabe « ZEMONA » 10-11 jiona 2016.

Ho tanteraina ny faha 10-11 jiona ho avy izao, eto Ambositra, renivohitrin’ny faritra Amoron’i Mania, ny  Tsenabe « Zemona » andiany voalohany ary  nampitondraina ny teny filamatra hoe « zay mamokatra no zemona » na ihany koa hoe :  «  zay mamokatra no voky ».

Vokatra andrasana. Hetsika ara-toekarena k arakarain’ny faritra Amoron’i Mania ho fanamorana sy fandrindrana ny fampiroboroboana ny sehatrin’ny fambolena, fiompiana sy  ny jono fa indrindra ireo vokatra mampalaza ny faritra, toy ny tantely, ny vaotabia, ny fary, ny voasary, ny akoho gasy, sns. ary tohanan’ny mpiara miombonantoka maro,ka anisan’ny voalohany laharana amin’izany, ny fandaharanasa Matoy  na « Miara-miasa ho Antoky ny TOekarena ifotonY » vatsin’ny governemanta Soisa . Tsenabe « Zemona » izay sehatra iray natao  hihaonan’ireo mpandraharaha mpividy ny vokatra avy amin’ny  faritra maro manerana ny nosy  sy ireo tantsaha mpamokatra ary ny tantsaha mpamokatra samy tantsaha mpamokatra eto amin’ny faritra Amoron’i Mania, amin’ny alalàn’ireo tranoheva isan-karazany izay miisa 50 mahery sy ireo dinika maro samihafa toy ny « conférence-débat », ireo fampitam-baovao  sy traikefa isan-karazany, vokatrin’ny  andrana sy fikaroana ,ka andraisan’ireo mpisehatra maro anjara, ka anisan’izany ireo mpiara miombonantoka ara-teknika sy ara-bola, ireo mpandraharaha, ireo vondron’ny tantsaha ary ireo sampandraharaham-panjakana isan-tokony. Ireto farany izay natao mba hanamora ny dingana rehetra ho atao amin’ny famolavolana tetikasa maro izay ho vinavinaina eo amin’ireo mpandraharaha andaniny  sy ireo tantsaha mpamokatra ankilany. Izany raha teo ny vokatra andrasana aorian’ity  Tsenabe « Zemona » ity ho fanatanterahana ny teny filamatra hoe « zay mamokatra no zemona. ».

Anastase

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.