Mananara Avaratra : Resaka lavanila, saika raikitra ny sakoroka

Jacaranda

Niteraka olana goavana tao Mananara avaratra talohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena teo ny fisamboran’ny polisy ireo tompona lavanilina nisangotra ny vokany mialoha ny fotoana, noho ny firongatry ny halatra lavanilina maitso an-tsaha, mahazo vahana ao Mananara Avaratra.

Tsy hitan’ireo tantsaha intsony ny atao, satria tsy maharo ny fananan’izy ireo ny mpitandro ny filaminana amin’ny firongatr’io halatra lavanilina maitso an-tsaha io, na efa nisy aza ireo tratra ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany noho tsy fahatokisana intsony ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana. Hany herin’izy ireo, mba hisorohana izany, dia ny fisangorana mialoha ny daty ara-dalàna ireo lavanilina efa hitan’ireo tantsaha fa matoy sy manaraka ny fepetra napetraka amin’ny habeny sy ny halavany amin’ny lavanilina afaka miditra eo amin’ny tsena iraisam-ppirenena tadiavian’ireo mpandraharaha.

Lavanilina 608 kg. Noho io olana halatra lavanilina io, dia nahatratra tompona lavanilina nioty mialoha ny lavaniliny ny polisy talohan’ny fetim-pirenena iny. Efa-dahy izy ireo ary lavanilina milanja 608kg no sarona tamin’izy ireo tamin’izay. Noho ny fepetra efa noraisin’ny faritra Analanjirofo sy ny efa nifanarahany tamin’ny OMC Analanjirofo sy ny tonia mpampanoa lalana ao Maroantsetra ary ny talem-paritry ny varotra Alananjirofo, dia tsy misy lavanilina azo ekena hotazana mialoha ao anatin’ny faritra hisorohana ny kalitaon’ny lavanilina haondrana amin’ity taona ity. Vokany: nogiazan’ny polisy sy ny distrika mitarika ny OMC any an-toerana ireo lavanilina tratra notazana mialoha ireo. Teo anefa no niteraka ny olana ka ny ben’ny tananan’i Mananara Avaratra, izay mpandraharaha ara-lavanilina sy voly fanondrana mihitsy, no nitarika ireo tantsaha sy ny vahoaka tsy nanaiky izany.

Sakoroka. Raikitra ny filaharan’ny olona nihazo ny biraon’ny polisy hamoaka ireo tompona lavanilina efatra nosamborin’ny polisy. Taorian’izay dia nitohy tao amin’ny biraon’ny distrika ny hetsiky ny olona haka ireo lavanilina nogejaina. Tsy nahazo rariny anefa ireo olona nilahatra ireo, ka teo no saika tonga tamin’ny fikasana handoro ny kaomisarian’ny polisy sy ny distrika tao Mananara avaratra. Nisy moa ny fandefasana ireo olona efatra tompona lavanilina nioty mialoha ny vokany teo anivon’ny fitsarana tao Maroantsetra, izay nahatonga ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana nanome fahafahana vonjimaika azy efa-dahy sy namoaka didy ny hamerenana ireo lavanilina amin’ny tompony ireo hiala amin’ny olana. Tsy nanaiky izany anefa ny OMC sy ny talem-paritry ny varotra Analanjirofo, ka voatery nisoro tamin’ny fanapotehana ireo lavanilina 608kg izy ireo ny talata teo fa tsy manara-dalana amin’ny datim-piotazana.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.