Mpanendaka anaty « taxi-be » : Nambanany antsy ilay ramatoa dia nalainy ny poketrany

Jacaranda

Efa tena tsy mandry loha intsony ny vahoaka ankehitriny amin’ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana, tsy alina tsy antoandro. Renim-pianakaviana iray no voaambana antsy tao anaty Taxi-be rehefa nandeha namonjy ny toeram-piasany iny izy omaly maraina. Tao anatin’ny “Taxi-be” zotra E mampitohy ny renivohitra amin’Ambohimangakely no nitrangan’izany. Raha ny fitantaran’ireo mpandeha niray fiara tamin’ity vehivavy ity dia voalaza fa nisy lehilahy niara-niditra taminy rehefa tonga teo amin’ny “arrêt” teo Andravoahangy. Rehefa naka toerana ilay vehivavy dia nipetraka teo akaikiny ihany koa ilay lehilahy. Nihevitra araka izany ny iray “taxi-be” fa miaraka izy ireo ka tsy niahiahy na inona na inona. Vao tafapetraka izy ireo dia nampiaka-peo ilay lehilahy. “Vao tafapetraka kelikely teo akaikin’ilay ramatoa izy dia niteny hoe “Izaho aza ataonao an’izany. Efa impiry aho miteny anao fa tsy tiako izany toetranao izany mbola averinao amiko foana” hoy ny fitantaran’ny iray amin’ireo mpandeha nanatrika ny zava-nitranga. Ny olona rehetra rahateo tsy nisy niditra tamin’ilay fifamalian’ireto farany satria noheverin’izy rehetra fa mpivady miady izy roa ireo, raha ny fomba firesak’ilay lehilahy no henoina, hany ka tsy nisy nanao na inona na inona. Taorian’izany anefa, raha iny mbola tsy nanainga iny akory ilay “taxi-be”, dia nisendaotra nidina haingana ny fiara nitsofohan’izy sy ilay renim-pianakaviana noheverina fa vadiny ilay lehilahy ary nentiny nanaraka azy ny poketran’ilay ramatoa. Gina samy tsy niteny ny iray “taxi-be” saingy tsy nisy nanam-po ny tena zavatra niseho marina. Mbola nihevitra foana ny rehetra fa mpivady miady mbola samy entin’ny fony izy roa ireto. Rehefa ela anefa ny ela dia niloa-bava ihany ilay vehivavy fa olona tsy fantany akory ilay lehilahy niseho ho vadiny sy naka an-tsokosoko ny poketrany. Nolazainy tamin’izany fa voaambana basy ny tenany nandritra ireny fampiakaram-peo nataon’ilay lehilahy ireny. Nentin’ity olon-dratsy ity nanafenany ny ratsy ataony fotsiny, araka izany, ny fisolokiany ho vadin’ilay ramatoa. Indrisy fa efa tsy nisy azon’ny olona natao intsony satria ilay fiara efa lasa lavitra ary ilay lehilahy tsy hita rahateo izay nanjavonany.

Niony H.

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.