Imerintsiatosika : «Taxi-brousse » nitondra mpandeha 70 mahery, nivadika

Jacaranda

IMERINTSITOSIKANitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny làlam-pirenena voalohany omaly hariva tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany. « Taxi-brousse » iray izay fantatry ny maro amin’ny hoe « garaba », mampitohy ny distrikan’i Manalalondo amin’ny renivohitra, no nivadika teo amin’ny fiolahan-dàlana iray teo Fonenana, làlana 2 km tsy hidirana an’ Imerintsiatosika raha avy aty Antananarivo. Tsy fantatra hatreto ny nahatonga ity fiara ity nivadika fa raha ny fitsarana azy ivelany dia tena efa fiara tsy tokony hiasa intsony izy ity. Marihina fa mpandeha eo amin’ny 70 mahery eo no nentin’ity fiara ity. Ny nahagaga anefa dia tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tamin’izany lozam-pifamoivoizana izany na dia teo aza  ny hamafin’ny dona nampivadika ity fiara ity. Niala hatramin’ireo kodiarana roa ao aloha mihitsy. Ireo mpandeha tao anatiny no nanazava fa ny hamaroan’ny olona tao no nahatonga ny tsirairay ho voaaro tsy nikodiadia nanaraka an’ilay fiara. Na izany na tsy izany, ilaina hatrany ny mametra ny fiara afaka mitondra mpandeha fa mampidi-doza ny ain’olona izany.

Niony H.

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Dieu soit loué, tsy nisy naratra. Raha tsy fiara toy garaba manga sy garaba mavo tsy afaka ny lalandratsy any. Tsy voatery hatakatra 4×4 daholo ny mponina. Anisan ny lalana adinon ny mpitondra iny ka manontany soafera.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.