Mahajanga : Sinoa sy karàna voatafika tamin’ny basy

Ny fanafihana voalohany dia tao Antanimalandy. Fitolahy nitondra basy ary nanapoaka an’izany mba entina handrobana no tonga tao amin’ny tranon’ny fianakaviana sinoa iray. Ny alin’ny alahady, tokony ho tamin’ny sivy ora no nigadona tao ireo. Vola mitentina 1,6 tapitrisa ariary niaraka tamin’ny entana maro no lasan’izy ireo. Ora vitsivitsy taorian’izay, izany hoe omaly tokony ho tamin’ny iray ora maraina, no mbola fitolahy mirongo basy ihany koa no tonga nanafika tao amin’ny toeram-pivarotana ambongadiny izay an’ny fianakaviana karàna. Nobatain’izy ireo ny fitoeram-bola izay nisy valo tapitrisa ariary niaraka tamin’ny firavaka. Raha ny isan’ireo jiolahy no dinihina dia heverina fa andiany iray ihany no nanesy ireo toerana roa samihafa. Taitra ny mponin’i Mahajanga raha nandre ny fisian’ireo fanafihana ireo omaly. Toerana milamina mantsy ary tsy dia nanjakan’ny asan-jiolahy izany io renivohim-paritany io. Tsy vitan’izany ihany koa fa maro olona any an-toerana ankehitriny noho ny filaminany izay anton’ny hisafidianan’ny mpaka rivotra marobe azy.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. zay anie no mahatonga de fitsaram-bahoaka,ary tsy maintsy ho tratra ireo mpandroba ireo ,mahajanga anie toerana kely sarotra hiafonana

Poster un commentaire