Toliara : Ankizivavy naolana sy nodarohana telo lahy

Jacaranda

Tovovavikely vao 13 taona monja no nihosin-drà naratra mafy naolana sy novonoina telo lahy tany Toliara. Ny tolakandron’ny talata izy no nivoaka ny tranony ary nilaza fa handeha hitsangantsangana hiaraka taminy namany. Tsy tonga tao an-trano anefa ity ankizivavy tsy ampy taona ity raha tsy omaly naraimbe tamin’ny 5 ora izay efa nihosin-drà tanteraka nalemilemy zara raha nahazaka tena ary nahitana diam-bono mangana avokoa ny vantany iray manontolo toy ny teo amin’ny tratrany, ny faritry ny lohany, . . . ary nahitana faritra may toa nodorana tamin’ny afo ihany koa tsy lavitra ny fivaviany. Raha ny fanazavana azo dia naolana sady nodarohana ity zazavavy tsy ampy taona ity sady nomena ranom-boakazo nisy zavamahadomelina fampatoriana. Nariana an-dalambe izy avy eo rehefa vita ny filan-dratsy natao taminy. Rehefa nahatsiaro saina ity “ajampela” ity dia nody nanavotr’aina sady niezaka nitantara ny zava-nihatra taminy tsaroany.
Eric Manitrisa

Telma Fibre Vibe

Share This Post

3 Comments - Write a Comment

  1. tena efa miharatsy tokoa ny fiainana @ izao vanim-potoana farany iainan’ny zanak’olombelona izao. II Timoty 3

  2. ny tranga toizany dia tokony tsy havela handalo fotsiny . ny makorely mameno tanana , tsy any mandeha fa tsy ny zaza tsy manatsiny no hampiharana ny habibina .

  3. LAMENTABLE ET PITOYABLE….Comme la mentalité gasy s’est rabaissée à ce point.! Trois mecs abuser sexuellement une fille “mineure” et de surcroit la faire subir une torture physique et mentale en guise d’humiliation…! Biby fa tsy olombelo !!!

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.