Ampitatafika : Tovovavy voadonan’ny fiara, nipitika 7 metatra

Jacaranda

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny Ampitatafika ny talata hariva lasa teo. Tovovavy iray vao 16 taona monja no maty nodomin’ny fiara Mercedes-Benz iray mpanatitra vola. Manodidina ny tamin’ny telo ora sy fahefany hariva tany ho any, teny amin’ny làlam-pirenena voalohany PK 10+200 ao amin’ny fokontany Malaza, no nitrangan’ny loza. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny mpitandro ny filaminana dia voalaza fa handeha hiankandrefana ilay fiara raha nandeha niampita kosa ilay tovovavy. Marihina fa mbola teny amin’ny sisin-dàlana no nahavoadona ilay tovovavy. Noho ny hamafin’ny dona nahazo azy anefa dia nipitika lavitra dia lavitra ity farany ary tsy nijanona raha tsy efa fito metatra niala avy teo amin’ny sisin’arabe nisy azy. Naratra mafy tokoa ilay tovovavy noho izany. Nifanentana nitondra azy teny amin’ny hopitaly avokoa ireo fokonolona nanatri-maso saingy rehefa tonga teny dia tsy tàna intsony ny ainy. Ireo mpiasa tao anatin’ilay fiara nahavanon-doza kosa tetsy andaniny dia voatery niantso kamiao hafa namindrana ireo vola nentiny. Najanona nanaovana “constat” mantsy ilay fiara nahavanon-doza ka tsy azo nampiasaina intsony. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Ny zandary ao Faliarivo kosa no miandraikitra ny fanaovana famotorana ny mpamily sy ny olona sasany tao anatin’ilay fiara nahavanon-doza.

Niony H.

Share This Post

4 Comments - Write a Comment

  1. Ka rehefa hitanao hoe BRINKS, na rehefa miampita @ ankapobeny dia mba mailo. Na priorite na tsy priorite izy, ny aina lahitokana.

  2. tena marina izany , misy dépité mihevitr’azy ho manam-pahefana koa ka misetrasetra. Raha ny marina dia mpiasam-bahoaka ny dépité

  3. tsy manana droit de priorité ireny Brink’s ireny !
    NY fiarana chef d’institution sy ny ambulance no manana droit an’izany!

  4. Ireny chauffeurs BRINKS ireny dia misetrasetra , mihevitra azy ho véhicule prioritaire toy ireo dépité sasan-tsasany

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.