Polisim-pirenena : Aogositra : jiolahy sy mpanao sinto-mahery 41 voasambotra


Manoloana ny  tsy fandriam-pahalemana miseho lany eto an-drenivohitra dia mitondra ny teniny ireo mpitandro ny filaminana. Omaly dia nanatanteraka famoriana mpanao gazety ny teo anivon’ny Polisim-pirenena. Noresahina tamin’izany ny paik’ady efatra mazava izay napetraka hatramin’izay mba ho fanatsarana hatrany ny fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra. Anisan’izany ny fijerena sy fanatsarana manokana ny fomba fiasan’ireo polisy mba tsy haharatsy endrika azy ireo eo anivon’ny fiarahamonina na amin’ny fitafy izany na amin’ny fiasa na amin’ny fihetsika iray manontolo mihitsy fa indrindra indrindra mba hahafahana mamerina indray ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny mpitandro ny filaminana. Teboka faharoa voaresaka ihany koa ny fandrindrana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra izay iarahana miasa amin’ny Kaominina an-drenivohitra. Nambaran’i Kaomisera Tsaramonina Ravony Jean Victor, izay Kaomisera lehibe vaovao miandraikitra ny “Commisariat central”, fa tsy mitsitsy velively ny Polisim-pirenena fa mampihatra avy hatrany ny sazy ho an’ireo rehetra mandika lalàna. Fantatra fa miisa 2.000 be izao ireo olona voasazy noho ny resaka tsy fanarahan-dalàna amin’ny resaka fifamoivoizana nandritra ny volana jolay 2016. Ny paik’ady fahatelo dia ny mahakasika ny famongorana ny asan-jiolahy an-drenivohitra. Voasokajy ao anatin’izany ny fanendahana, ny fanaovana sinto-mahery, ny fanafihana mitam-piadiana, sns. Ho an’ity volana aogositra ity izao, dia efa miisa 41 ireo olona nosamborin’ny UIR (Unité d’Intervention Rapide). Misy amin’izy ireo ny mbola tsy ampy taona. Marihina fa ny sivy tamin’ireto olon-dratsy ireto dia tratra ambodiomby teny amin’ny faritra Behoririka sy Antanimena iny, ka handalo Fampanoavana anio. Mbola tratra niaraka tamin’izy ireo ny fitaovana fanaovany asa ratsy toy ny sakay, ny zava-maranitra toy ny antsy, ny ody gasy toy ny fonoka, ny “taser”, ary hatramin’ny poketra sy “pieces” ana moto nangalarin’izy ireo. Amin’ireo sisa ambiny dia fantatra fa nisy kosa ireo efa nidoboka am-ponja. Ny paik’ady farany anisan’ny notsindrina manokana ihany koa ny resaka fiadiana amin’ny kolikoly izay anisan’ny tena manaratsy endrika ny Polisim-pirenena. Nambaran’i Kaomisera Tsaramonina Ravony Jean Victor hatrany fa tsy manavaka ny lalàna fa izay rehetra mandika azy dia iharan’ny sazy avokoa. Fantatra fa nandritra izay iray volana nitondrany teo anivon’ny Polisim-pirenena izay dia miisa 15 ireo polisy naiditra “violon” noho ny resaka hamamoana diso tafahoatra, ny fatoriana an-tatatra sy an-dàlana, ny tsy fanarahan-dalàna, sns. Miantso ny tsirairay araka izany ny Polisim-pirenena tsy hisalasala hiaraka hiasa amin’izy ireo mba ho tombontsoa ambonin’ny besinimaro.

Niony H.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.