Toliara : Mpivarotena tratra nangalatra tao anaty karaoke, naboridan’ny olona

Jacaranda

Tovovavy iray sahabo ho 25 taona eo ho eo no tratra nangalatra findaina tovolahy iray nanala azy niaraka tamin’ny namany maromaro tao anaty karaoke ka namboridan’ ireo mpamonjy lanonana,  afak’omaly alina, tany Toliara. Rehefa najavona tao am-paosin’ ilay tompony ny findainy dia nikoropaka ity farany nikaroka ny fananany sady nanontany ireo namany niray latabatra taminy. Raikitra avy hatrany ny savahao tao an-trano, najanona hatramin’ny fihirana mihitsy. Nantsoina ilay finday ka heno naneno tao an-tratrana tovovavy iray nipetra-drery tamin’ny latabatra tsy lavitra teo. Tsy nisalasala ireto andiana tanora nisava avy hatrany ny tatinonon’ity tovovavy sady nanala ny ankajo “jeans” manara-bantana notafian’ity voalaza fa mpivarotena, ka niboridana tanteraka ny tapany ambony. Tezitra tsy nisy nahafehy tena intsony ny mpilanonana tao amin’ity toeram-pialam-boly ity, izay efa dizin’ny toaka ny ankamaroany, ka nanosika an’ilay tovovavy nangarom-paosy nivoaka ny trano sady nanaraka teny ihany ny vono sy daroka avy ato afara, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.