Analakely : Jiolahy saika hanafika magazay, maty voatifitry ny polisy

Jacaranda

Nitrangana fanafihan-jiolahy indray tetsy Analakely omaly maraina mbola mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny efatra ora sy fahatelony tany ho any. Magazay iray lehibe mpivarotra fitaovana elektronika sy informatika no lasibatra tamin’izany. Jiolahy telo izy ireo no nanao ny fanafihana. Raha ny tatitra voarainay avy tamin’ny Polisim-pirenena, dia fantatra fa tokony ho nisy mpiambina io toerana io, saingy tsy nisy izany tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana ka nanamora ny fikasan-dratsin’ireo jiolahy. Voavohan’izy ireo noho izany ilay magazay. Nanana fanalahidy rahateo izy ireo. Ary efa teo am-pamoahana ny entana teny ivelany izy ireo no nisy olon-tsotra nahatsikaritra. Ity farany no niantso avy hatrany ny polisy hanao ny fisamborana ireo jiolahy tratra ambodiomby. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo polisin’ny UIR raha vantany vao naharay ny antso ary niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ireto jiolahy. Nitsoaka avy hatrany ireto farany raha vantany vao nigadona teny ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana. Tsy nisy entana azon’ izy ireo  nentina nitsoaka noho izany ka very maina teo ny teti-dratsin’izy ireo. Ny roa tamin’izy ireo no azo sambo-belona fa ny iray kosa tafaporitsaka . Marihina fa, ny iray tamin’ireo roa azo sambo-belona dia voatifitra teo amin’ny lamosiny sy ny feny no nahalavo azy ka noraisim-potsiny. Nentin’ireo polisy teny amin’ny hopitaly noho izany io jiolahy naratra io, saingy fotoana vitsy monja taorian’ny nahatongavany teny dia tsy tàna intsony ny ainy. Ilay jiolahy iray hafa kosa dia mbola tazonina eny amin’ny biraon’ny polisy anaovana famotorana. Ny fanadihadiana natao ihany koa no nahafantarana, fa hay basy kilalao no nentin’izy ireo nampihorohoroana ny manodidina tamin’ity fikasana hanafika magazay ity. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Andrasana araka izany ny mety ho tohiny.

Niony H.

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.