Famonoana an’i Honorine (Akamasoa) : Karohina fatratra i Jacky, isan’ireo ati-doha

Tovolahy iray antsoina hoe, Avotriniaina Jacky Herilala no karohin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava fatratra amin’izao fotoana izao. Fantatra, araka ny fampitam-baovao azo fa isan’ireo ati-doha nikotrika ny famonoana ho faty an’i Itpkv. Honorina Rasomanalina, filoha lefitry ny toby Akamasoa eny Andralanitra ity tovolahy 20 taona ity. Ankoatra an’i Jacky, dia nisy olona telo hafa efa voasambotra sy nadoboka any am-ponja, noho ity resaka vono olona ity hatrany. Nambaran’ireo mpanao fanadihadiana fa lonilony sy fialonana no antony nahatonga ireo olona niroso tamin’ny fanaperana ny ainy tamin’ny fomba feno habibiana tokoa. Ary olona akaiky azy avokoa no ireto voarohirohy ireto. Ny roa tamin’ireo voasambotra mantsy dia tsy iza fa anadahiny iray tampo amin’i Honorine ihany. Ny iray kosa, miaraka amin’ity mbola karohina ity, dia samy ankizy notezainy avokoa. Ny herinandro lasa teo ireto voasambotra ireto no natolotra ny Fampanoavana ka ireo anadahiny dia nadoboka avy hatrany eny Antanimora. Ilay ankizy notezainy kosa dia nalefa eny amin’ny fitaizana zaza maditra, eny Anjamanasina. Hatramin’izay raha ny fanadihadiana nataon’ireo pôlisy hatrany dia toa efa nanaloka an’ity ramatoakely ity ny amin’ny mety hisian’ny mpamono azy. Efa nilaza foana mantsy izy, raha ny vaovao hatrany fa ho ireo olona akaiky azy ireo ihany no mety handatsaka ny ainy any aoriana any. Ary iny notanterahin’ireo olon-tsy vanona tokoa ny fikasàny, ny sabotsy 21 Mey hifoha alahady 22 Mey lasa teo. Tany an-tranony ihany no nanaovan’ireo olon-dratsy ny asany, ary nariany tanaty tatatra teny amin’ny manodidina ny vatana mangatsiakany nony avy eo. Mbola nisy vola manodidina ny telo tapitrisa ariary latsaka teo ihany koa, nanjavona tao amin’ny tranon’ity vehivavy nisy namono ity. Mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohanana ilay naman’ireo mpamono. Araka ny taratasy fampikarohana navoakan’ny pôlisy laharana 3732/MSP/SG/DJPN/DPJ/SCAC/BC1-16 dia manentana ireo izay mety mahita an’i Jacky, mba hisambotra azy avy hatrany sy hiantso ireo mpitandro filaminana amin’ny laharana 0340551726.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.