Toamasina I – Halatra lakolosim-piangonana : Olona telo efa miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy

Lasa miteraka resa-be eo anivon’ny fiarahamonina ity aka fangalarana lakolosim-piangonana ity, raha ny angom-baovao natao aza, dia isan’ny lahadiniky ny filankevitry ny minisitra natao ny alarobia teo ny mahakasika azy ity, noho ity halatra ity miantraika amin’ny resaka finoana eto amintsika.

Raha ny fanazavan’ny zandary teto Toamasina nandritra ny fankalazana ny faha-15 taona nijoroan’ny fitsarana ambony izay natrehan’ny filoham-pirenena omaly ny fanombohany, izay nisiana fampirantiana tranoheva samy hafa ireo mpiara-miombona antoka amin’ny fitsarana; dia nisy 5 ny raharaha nosahanin’izy ireo mikasika ity halatra lakolosy ity tato ho ato nisian’ny firongatany. Ny 02 nitranga tao Analanjirofo, ny 2 hafa niseho tao Brickaville, ary ny iray niseho tao amin’ny fiangonana katolika Masimbavy Terezy tao Salazamay tsy ela akory izay. Misy iray hafa kosa saron’ny zandary tao anatina taxi-brousse teo am-pitondrana azy hamidy. Tamin’ireo raharaha halatra lakolosy ireo anefa, dia olona 3 no efa miandry fitsarana am-ponja, ka isan’ireny ireo mpangalatra lakolosy tao Brickaville nisy 2 sy ilay 1 nangalatra ny lakolosin’ny fiangonana katolika Mb Terezy Salazamay. Ny fanazavan’ny zandary ihany no nahalalana fa olona avy aty Antananarivo izany no mpividy ireto lakolosy ireto izay tsy fantatra izy ireo, satria ireo olona tratra tsy mety milaza ny marina mikasika azy ireo. Ankilan’izany dia fantatra araka ny fanazavana nomen’ny zandary nisahana ny raharaha, fa ireo zanaky ny fiangonana sy ireo mpiangona nisy fahaverezan’ireo lakolosy ihany no mpangalatra ny lakolosim-piangonany

Fa ny isany tena nanaitra tamin’ny angom-baovao natao, dia misy olona ihany koa ankehitriny no sahy mividy vola hatramin’ny 200.000 ariary ny baiboly kristiana iray, ka ireo mpivavaka mamonjy fiangonana no hifanarahan’izy ireo amin’izany, ka eo am-panaraha-maso ireto andian’olona ireto ny mpitandro ny filaminana izao, satria tafiditra anatin’ny heloka ara-pinoana ny tranga misy…

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.