RN25 : Taxi-brousse nisy nanafika, mpandeha iray naratra mafy

Jacaranda

Raha nangingina ny resaka fanakan-dàlana tao ho ao, dia lasa niverina indray izany amin’izao fotoana izao. Ary amin’ireo lalam-pirenana betsaka mpindrana amin’izao an-katoky ny fialantsasatra izao no tena manjaka izany. Toy ny nitranga tany amin’iny lalam-pirenena faha-25, mizotra mankany Mananjary iny. Taxi-brousse iray mampitohy an’i Fianarantsoa sy Mananjary no lasibatry ny asan-jiolahy, tao Ambatofaritany, ao amin’ny kaominina Tsenavolo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nosakanan’ireo olon-dratsy tamin’ny alàlan’ny vato ny lalam-pirenena. Afa-nitsoaka ihany anefa ity fiara ity, saingy narahin’ireo jiolahy tamin’ny tora-bato. Vokatr’izay, potika ny fitaratr’ilay fiara. Mpandeha iray tao anatin’ity taxi-brousse ity kosa no voan’ny vato ka naratra mafy. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ity farany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Tsy nahazo na inona na inona kosa ire olon-dratsy tetsy an-danin’izay. Fa mbola ny faran’ny herinandro teo hatrany, taxi-brousse avy aty Andrenivohitra hoany Vaingaindrano no lasibatr’ity fanakan-dàlana ity tao amin’ny kaominina Tsarasaotra Ambositra. Tsy nahavoa ihany ireo olon-dratsy, izay nanala ny fony tamin’ny tora-bato sisa, fa afa-nitsoaka ilay fiara. Ankoatr’ireo  tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny koa dia nahenoana trangana fanakan-dàlana, ny alatsinainy lasa teo, tao Ampefy. Tsy vitan’ny vato intsony ny fitaovam-piadiana nentin’ireo olon-dratsy, fa efa basy mihitsy. Naratra voatifitra ny mpamily tamin’io fotoana io, saingy mbola afaka nitondra ilay fiara nitsoaka tsy ho eo ambany rangotr’ireo olon-dratsy. Amin’ireo asan-jiolahy sy trangana fanakanan-dàlana ireo, dia efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha efa mandeha ny famotorana.

m.L

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. rovina ihany vo mba hilamina isika ty AIZA NNY EMMOREG NY POLISY ZANDARY GIGN amin reto fanakanandalana reto sa tsy misy tombontsoan ny fitondrana ve ??????

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.