Mahajanga : Naiditra am-ponja vonjimaika ilay frantsay nandona nahafaty zaza

Jacaranda

Nidoboka am-ponja vonjimaika ilay lehilahy teratany frantsay nandona nahafaty zazavavy 17 taona ny alin’ny sabotsy 14 aogositra lasa teo rehefa voasambotry ny polisy. Raha zohina ny zava-niseho, vazaha frantsay iray no nandona nahafaty tsy tra-drano zazavavy 17 taona tamin’ny fiara tsy mataho-dàlana nentiny, tao amin’ny fokontany Betamanga any Mahajanga. Fantatra fa mamo tampona izy teo am-pitondrana ny fiarany ny andron’io loza io, hany ka tsy nahavily ny familiana intsony rehefa nifanena tamin’ity zazavavy ity. Fantatra fa monina any Mahajanga ity farany ary avy nisaraka tamin’ny olon-tiany indrindra izy ka izay no antony nahamamo azy. Maty tsy tra-drano ilay zazavavy. Ilay vazaha nandona kosa dia rifatra lasa nitsoaka noho ny fatahorana fitsaram-bahoaka  raha ny nambarany nandritra ny famotorana natao azy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy ao Mahajanga ary nampian’ny polisy miandraikitra ny habakabaka sy ny sisin-tany na ny PAF (Police de l’Air et des Frontières) avy aty Antananarivo sy avy ao Nosy Be tamin’ny fikarohana ilay mpamily nahavanon-doza. Vokany : tratran’ ny polisy tao anatina garazy iray tany Andrenivohitr’i Mahajanga ny fiaran’ilay vazaha roa andro taorian’ny fikarohana azy. Fantatra nanomboka teo fa lasa nitsoaka nihazo ny làlana mianavaratra ho any Nosy-Be ity farany. Noho ny ezaka maty paika napetraky ny polisy avy ao Nosy-Be dia voasambotra teo am-pidinana tamin’ny « bac » avy any Ankify Ambanja ihany ilay vazaha. Naverina ao Mahajanga ny tenany ary nampandalovina ny Fampanoavana tany an-toerana.  Naiditra am-ponja vonjimaika ao Marofoto Mahajanga ilay vazaha mandram-piandry ny fotoam-pitsarana azy.

Niony H.

Telma Fibre Vibe

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.