Ambilobe : Trano 433 tafo, tsena 112 ary sekoly iray ravan’ny afo

Jacaranda

HAIN-TRANOMaizin’ny setroka tanteraka ny lanitra, tany amin’iny ilany avaratry ny Nosy iny, ny alatsinainy 29 aogositra sy talata 30 aogositra lasa teo. Nitrangana hain-trano mahatsiravina indray mantsy tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Beramanja, any amin’ny distrikan’Ambilobe, nandritra izay roa andro nisesy izay. Hain-trano mahatsiravina naharavana trano 433 , tsena 112 ary sekoly iray misy efitra telo raha ny fitambarany. Olona 4250 no tsy manan-kialofana vokatr’izany. Voalaza fa tapaka hatramin’ny làlana mampitohy an’Ambilobe sy Ambanja, PK70, mihitsy noho ny fitangoronan’ny olona sy ny nahamaizina ny andro noho ny setroka nisy. Raha tsiahivina ny zava-niseho, trano  425 no may tao amin’ny fokontany Ankazomborona ao amin’ny Kaominina Beramanja  ny  alatsinainy 29 aogositra teo. Ny 15 amin’ireo dia trano biriky, fa ny ambiny kosa dia trano falafa avokoa. Nidina avy hatrany teny an-toerana nanadihady ny tena zava-nisy ny zandary ka fantatra tamin’izany fa doro tanety no fototra niaingan’ny afo. Mitentina hatrany amin’ny 1 miliara ariary any ho any kosa ny vidin’ireo entana may sy fatiantoka naterak’ity hain-trano ity. Olona 4000 no tsy manan-kialofana noho izany. Omaly maraina tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any ihany koa, may nisy nandoro ny tsena tao amin’io Kaominina io ihany ka nahatratra trano 120 sy « pavillons » valo ary sekoly iray vita amin’ny hazo izay nifanila teo. Mbola tsy voafaritra mazava kosa ny tetim-bidin’ireo entana kila nandritra ity hain-trano faharoa niseho tany Ambilobe ity. Marihina fa andro tsena mihitsy no nitrangan’ity hain-trano ity ka raha ny loharanom-baovao azon’ny zandary any an-toerana, dia ahiahiana ho nisy nanao fanahy iniana nandoro ity tsena ity, saingy niitatra tany amin’ireo trano 120  vita falafa nanakaiky teo. Olona 250 ihany koa no tsy manan-kialofana vokatr’izany. Efa eo am-pelatanan’ny zandary any an-toerana avokoa ny raharaha mahakasika ity hain-trano lehibe niseho roa andro nisesy tany amin’ny distrikan’Ambilobe ity ka andrasana izay mety ho tohin’ny fanadihadiana. Efa mandeha araka izany ny famotorana. Marihina fa samy tsy nisy olona naratra na aina nafoy tamin’ireo trangana hain-trano ireo.

Niony H.

Telma Fibre Vibe

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.