Gasy ao Frantsa : Nitsangana ny TTMR

parisyTaorian’ny fihaonam-be no nanapa-kevitra ny nanangana ny vondrona Tia Tanindrazana Manohana an-dRavalomanana (TTMR) ireo Malagasy maro monina ao Frantsa izay nivory tao Gif sur Yvette, ny asabotsy lasa teo. Io vondrona io dia ny fikambanan’ny GTT International Genève, ny GTT IDF ary ny Malagasy Mandroso, ireo indray,dia samy nitaky ny fiverenan’ny ara-dalàna sy ny famerenana an-dRavalomanana taorian’ny 2009. Ny fanohanana ny filatsahan-kofidian’ny filoha teo aloha Ravalomanana amin’ny 2018 no tena tanjona. Voaresaka nandritra ny fivoriana avokoa, ny zava-mitranga ankehitriny eto Madagasikara ary nahita izy ireo fa ny olona voalaza etsy ambony no tena mety amin’ny fanarenana ny firenena. Fanohanana ny tetikasa hamerenana ny hasin’ny Malagasy, fandraisana an-tànana ny fampandrosoana ny firenena no isan’ny tanjon’ny vondrona. Maro ny Malagasy izay tonga na dia nitontona tao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra tanteraka aza ny fivoriana.

“Mila traikefa ny famoahana ny Malagasy ao anatin’ny fahantrana lalina; izay iainany ankehitriny. Mitaky mpitarika manana fahaiza-manao ny fanarenana mahomby. Ny tantara dia nampiseho fa, efa niroso tamin’ny fampandrosoana ny firenena talohan’ny krizy 2009. Aminay dia Ravalomanana ihany no vahaolana ankehitriny” raha ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny vondrona, Hery Andriamparany. Marobe ny mila fanarenana maika : ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly, ny famonoana ny vahoaka, ny fanitsahana ny zon’olombelona, ny fanodinkodinam-bola, ny fihenan’ny taham-pahaizana, ny fandrobana ny fananan’olon-tsotra, ny halatra ny harena voajanahary, ny fanokafana ireo tobim-pahasalamana aman-jatony izay nakatona. Nandroso vahaolana samihafa ireo mpivory koa tsy ho ela ny fihaonana manaraka, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Hatolotr’izy ireo ny kandidany ny rohin-kevitra izay nikaonan-doha nandritra ny fihaonana.

r.f

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.