Ambatondrazaka : Nidiran’ny jiolahy an-keriny, ny tranon’ny talen’ny CEG

Na dia vao tamin’ny 11 sy sasany antoandro aza ny andro, no niditra an-tsokosoko  tao amin’ny trano fonenany talen’ny CEG  ity tovolahy vao herotrerony; izay  haka ireo finday sarobidy sy ny fakantsary iray ,ary saika hisava ny toerana izay voalaza fa misy vola. Hitan’ity tale ity izay tsy taiza fa tao an-trano ihany nitsotsotra avy niasa ,niantso vonjy  ilay tompon’andraikitra ,ary dia nirifatra nandositra ilay tovolahy vao 19 taona izay somary nofosana ary efa nentiny nandositra ny entana. Raikitra ny fananjehana ,nifanojo tanteraka tamin’ny fisafoana antoandro nataon’ny polisy  rahateo ka  nalaky tratra ilay jiolahy . Niaiky ny  asa ratsy nataony ity tovolahy ity  izay nanambarany fa ireo zavatra  sarobidy ihany no saika halainy . Nampametra-panontaniana ny rehetra ihany izao fihetsik’ity tovolahy ity izao ,satria raha any amin’ny fokontany Antanifotsy Ambatondrazaka izy no mipetraka dia naninona,   any amin’ny toerana lavitra ny tanana no miditra an-keriny sy mangalatra ,izay andro antoandro firavan’ny mpiasa ,misy antony manokana ve ? Nanambara ny Kaomisera divizionera Ramilison Célestin, fa tsy hisangy amin’ireo mpanao ratsy izy ireo ,ary tsy maintsy hosamborina avokoa ireo mpiloka an-kalamanjana,  satria miainga amin’izy ireo,ny asa ratsy sy fanendahana rehefa lany vola izy ireo.

 Janus R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Ampianaro tsara ramose ny ankizy tsy hanao toy izao aaa

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.