« Visite technique » : Mpanao hosoka voasambotra

hosokaTelo alina ariary no fanaovany ny hosoka. Mivoaka toa ireny tena izy ireny, misy fitomboka, daty ary koa izay marika rehetra ilaina amin’ny fitsaràna fiarakodia. Ny 19 septambra lasa teo, raha nitondra ny fiara vao novidiany teny anivon’ny sampan-draharahan’ny « visite technique » ny vehivavy iray dia tsikaritry ny tompon’andraikitra fa tsy voarakitra tao anaty solosaina velively ny soratra rehetra momba ny fitsaràna tamin’ny taon-dasa (2015-2016). Nanomboka teo no niaingan’ny fanadihadiana izay nahakasika ihany koa ny tompon’ny fiara teo aloha. Io farany dia mbola tany am-ponja ary voatery nalaina tany mba nohenoina momba ity raharaha ity. Nitohy ihany ny fanadihadian’ny zandary ary tao anatin’izany no nisy anaran’olona voatonona. Raha araka ny fanazavan’ny zandary dia mpamily eo anivon’ny Adema ity tompon’andraikitra tamin’ny hosoka ity. Niaiky ny helony rahateo izy nandritra ny famotorana ary tamin’izany no nanambarany fa 30.000 ariary no alainy amin’ny olona isaky ny mila « visite technique ». Efa marobe ny taratasy vitany tamin’izany ary ananany ny fitomboka izay mitovy tanteraka amin’ny fampiasan’ireo mpiasain’ny fitsaràna fiarakodia. Natolotra ny fampanoavana omaly io lehilahy voarohirohy ho mpanao hosoka io ary naiditra am-ponja vonjimaika etsy Antanimora taorian’izany. Tsy ny fitsaràna fiara ihany no maro mpanao hosoka eto amintsika.  Eo ihany koa ny fanaovana taratasin’ny fiara. Nalaza ny fisian’ny fiara iray izay mipetraka matetika eo amin’ny manodidina ny birao etsy Ambohidahy ary manana izay fitomboka rehetra ilaina amin’ny fanatontosana izany. Malaza ihany koa ny fisian’ny olona manelanelana ny tompon’ny fiara  sy ny mpiasam-panjakana ka omena azy ireo fotsiny ny taratasin’ny fiara dia vita sady haingana no manara-penitra. Izany hoe tsy mijanona eo amin’ny hosoka ihany ny zava-misy fa mbola manampy izany ihany koa ny kolikoly. Fantatry ny mpampiasa fiara rehetra eto an-drenivohitra izany…

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire