Alatsinainy bakaro : Jiolahy dimy avy nanafika, tra-tehaky ny zandary

Tamin’ny  8 oktobra lasa teo, tra-tehaky ny zandry tany Alatsinainy Bakaro  ny jiolahy  dimy, fantatra fa avy nanafika mpandraharaha tany amin’ny faritra Anosibe An’Ala, ny 7 oktobra tamin’ny 10 ora maraina. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa tokony ho tamin’ny 5 ora hariva no azo izy ireo. Voalaza kosa fa misy namany roa izay mbola karohin’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Any amin’izy ireo ny basy kalach nentina nanafika.

Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana, fa nosakanana jiolahy fito  nitondra basy kalacknikov iray sy basy lava hafa iray tamin’ny hazo be ny lalana mampitohy an’Antandrokomby amin’Anosibe an’Ala. Voasakana tamin’izany ny mpandraharaha  4 izay nitaingina moto 2. Voaambana basy izy ireo ary lasan’ireo jiolahy ny vola mitotaly 80.000.000Ar . Tamin’izay indrindra no nisy zandary roa izay nanao fisafoana ny lalana samy nitondra moto nipoitra tampoka avy nanaraka tao afaran’ireo mpandraharaha, ka notifirin’ireo jiolahy. Voa teo amin’ny molony (nisolifatra) ka nianjera ilay nialoha lalana ary naka takona sady nitifitra kosa ilay zandary faharoa. Tafaporitsaka nankany anaty ala niankandrefana nandeha an-tongotra anefa ireo jiolahy ka tsy tratra.

Raha vao nahafantatra ny fandehan-javatra ny kaomandin’ny kompanian’ny zandarimariam-pirenena ao Moramanga, dia nandefa zandary maro nanao fikarohana sady niantso ny kaomandin’ny kompanian’ “Imerina Central” mba hanao ny fanakanana ireo jiolahy izay nihazo ny faritra iadidiany. Taorian’ny fikarohana izay niarahana niasa tamin’ireo andrimasom-pokonolona, dia nahatsikaritra olona mampiahiahy ireo olona tao Fitsinjovana Bakaro. Nanofa taxi-brousse iray mantsy ny lehilahy 5 ho any Antananarivo. Narindra arak’izany ny fisafoana sy fanakanan-dalana nataon’ireo zandary nampian’ny fokonolona ka voasambotra teo Alatsinainy Bakaro izy ireo rehefa nanaovana sakan-dalana.

Tra-tehaka tany amin’izy ireo ary tamin’ny fisavana natao, ny vola 19.000.000AR ;  antsim-basy fanao amin’ny basy Kalacknikov 01 (couteau baïonnette AKM) ; « lampe de poche »  06 ; fahana telma 1000 Ar miisa 08 ; fahana orange 1000 AR miisa 50 ; ary bala (22 long rifle) miisa 02.

Nangonin’i r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire