Tapatapany

# – Anosipatrana. Fatin-dehilahy tao Ikopa. Fatin-dehilahy iray no hitan’ny mpitondra lakana vao maraina, teny Anosipatrana, ny sabotsy maraina tamin’ny 6 ora. Rehefa nampakarina teny an-tanety ny razana, dia hita fa nisy ratra teo amin’ny tanany ary mangana be ny tratrany. Tombanana araka izany, fa nisy namono io olona io vao navarina tany anaty rano. Lehilahy tokony ho  25 taona eo.

 

# – Mahitsy. Mpivarotra omby voatafika. Mpivarotra omby telolahy no notafihan’ny jiolahy efatra nitondra basy kalach sy basim-borona, nanao saron-tava sy fanamiana mpitandro filaminana, teny amin’ny faritry Mahitsy, ny 8 oktobra teo. Lasan’ireo olon-dratsy ny vola 7 tapitrisa ariary ary naratra ny iray tamin’ireo voatafika. Ny zandary avy ao Mahitsy no manao ny fanadihadiana.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire