Andraikiba Antsirabe : Fivarotana iray notafihan’ny jiolahy, lasa ny 2 tapitrisa ariary sy firavaka maro

Fivarotana iray no lasibatry ny fanafihan-jiolahy tao Andraikiba Antsirabe ny sabotsy lasa teo. Mpivarotra iray manamorona ny farihy no voatafika ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny lelavola 2 000 000 Ariary miampy firavaka sarobidy maromaro sy ny entana lafo vidy. Tokony ho tamin’ny 11 alina no tonga tao an-trano nandondona ny varavarany ireo jiolahy, hoy ny niharam-boina. Niantso tao ivelan’ny trano ny jiolahy iray mba hamohana azy ireo moramora mba tsy hisian’ny herisetra. Tsy namoha anefa ny tao an-trano izay marihina fa mpivady ihany. Nandrahona ny handoro ny trano avy ety ivelany ireo jiolahy rehefa tsy novohana, hoy hatrany  ny fanazana. ankoatra izay dia nilaza koa ireo jiolahy fa hamaky ny varavarana ary hififitra sy hamono izay tratrany ao. Nentin’ny tahotra ireto farany, ka namoha ny varavarana ihany, jiolahy telo nitondra basy no avy hatrany dia nanao amboletra niditra vantany vao nisokatra ny varavarana. Tsy navelan’izy ireo hahita ny tavany izy mivady fa avy hatrany dia nasaina niakatra teo am-pandriana ary norakofana lamba. Ny sasany tamin’io nisava ny fivarotana sy trano. Tsikaritr’izy mivady ireto fa nisy olona tsy sahy niditra fa niandry teny ivelan’ny trano. Ity farany izay ambaran’izy roa fa olona mety mahalala tsara azy ireo ka tsy sahy niditra ny trano.

Nafatotr’ireo jiolahy izy mivady rehefa azony izay nilainy, ary vaky nandositra ry zalahy nony avy eo. Voavahan’ilay rangahy ihany anefa ny fatorana ka avy hatrany dia niantso ny mpiambina ny kaominina izay teo akaikiny teo izy ary nampandre ny mpitandro filaminana, saingy tsy tratra intsony ireo jiolahy.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. de zany foana ve no ho heno eto @ firenena è
    sao de efa tafahoatra loatra

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.