Vao nanomboka ny orana teto Antananarivo dia efa namely mafy sahady. Samy tsy nisy nanam-po tanteraka ny oram-be nitranga ny sabotsy lasa teo ny ankamaroan’ny olona rehetra teto Antananarivo. Na mbola tamin’ny 4 teo aza ny lera dia toy ireny efa tamin’ny alina ireny. Maro ny voka-dratsy nateraky ny rotsak’orana iny. Toy ny tetsy Andranomena dia fantatra fa trano be miisa 3 no nirodana. Araka ny nahitan’ny be sy ny maro azy dia mafy tokoa iny orana iny satria trano tsy nampoizina hirodana tokoa izao nirodana izao. Betsaka ny fahavoazana teo amin’ny tompon’ireto trano ireto, satria voalaza fa trano lehibe ary maro ihany koa ny entana potika nandritra iny orana iny. Trao ambony Tanana moa ireto trano ireto ka efa manomboka mikarakara izany ny tompony mba tsy hiteraka loza hafa a. Ankotra izany dia nisy ihany koa tamboho nirodana vokatr’iny rotsak’orana iny teny amin’ny faritra Ankorondrano atsinanana .
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)