Ankasina : 5 lahy nirongo basy sy antsy , nanendaka raim-pianakaviana iray

Efa mirongatra tanteraka ny asa ratsy ankehitriny. Afak’omaly tokony tamin’ny 11 alina teo no nitrangan’ity loza ity teny amin’iny faritra Ankasina  iny. 5 lahy nirongo basy sy antsy no nanendaka raim-pianakaviana iray. Vokany lasan’ireto tsy mataho-tody ny vola izay fantatra fa mitentina 1 hetsy ariary niaraka ny finday izay  lafo vidy. Ny  loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa avy niandry faty ity raom-pianakavina ity no sendran’izao loza izao ary lalan’ny handeha hody tokoa. Araka ny vaovao voaray dia fantatra fa nambanan’ireto mpanendaka basy ity rangahy ity ary tsy namelan’izy ireo raha tsy namoaka ny fananana rehetra teny aminy. Saika novonoin’izy ireo  anefa ity rangahy ity fa niangavy an’ireto jiolahy  ny mba hamelany azy fa mbola manan-janaka kely izy. “Efa saika  hitifitra ahy ny 3 tamin’izy ireo fa ny 2 kosa no niteny hoe aleo izy handeha, “ hoy hatrany ny fitantaran’ity rangahy niharan-doza ity. Rehefa vita kosa ny asa ratsin’izay ireo dia vaky nandositra, ity rangahy ity kosa niverina teny amin’ilay toerana niandrasany faty.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.