Ankorondrano : Nidoboka am-ponja ilay rangahy sy ankizy mpivarotra ary mpifoka rongony

Rongony tapa-gony no fantatra fa saron’ny polisy teny amin’int faritra Ankorondrano Atsinanana iny ny herinandro lasa teo. Araka ny vaovao voaray dia voalaza fa olona 2 no voasambotra tamin’izany ka rangahy efa lehibe  niaraka ny zazalahy kely izay mbola tsy ampy taona. Fantatra fa polisy telo tsy nanao akanjo fanamiana no tonga teny an-toerana nanao ny fisavana . Tsy nisy ihany koa ny taratasy izay manamarika fa polisy saingy niaraka ny rojo vy kosa izy ireo . Rehefa nandeha ny fisavana dia sarona tao ny rongony tapa-gony . Tsy nijanona tamin’izany moa ireto polisy ireto fa niroso tamin’ny fisavana ny trano ka tamin’izany no nahitany vola be tao anaty kaomody . Nisy ny nanambara fa tahiry efa ela io vola io saingy tsy nahalala an’izany kosa ireto nanao ny fisavana fa nentin’izy ireo avy hatrany ny vola. Araka ny filazana re teo amin’ny manodidina, dia mpivarotra rongony ity rangahy ity, ilay zazalahy kely kosa dia voatazona tamin’ny fofona  avy amin’ny tanany izay nisy namofona rongony mahery vaika. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa efa any am-ponja ireto olona roa voampanga tamin’ny fivarotana sy fifohana ireto. Mbola tsy fantatra kosa ny datim-pitsarana na oviana na oviana.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire