Miarinarivo : Fiaramanidina nitondra amerikana, voatery nidina an-tanety

Noho ny olana ara-mekanika no antony tsy maintsy nipetrahan’ny fiaramanidina kely iray ATR, tetsy Miarinarivo-Ampefy. Vao maraina tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany omaly, no nitrangan’izany. Raha araka ny vaovao nampitain’ny mpitandro ny filaminana, dia olona telo no tao anatiny. Ny mpanamory, mazava hoazy, ary koa ny olona roa izay nentiny. Ireo farany dia mpivady, teratany Amerikana. Tsy nisy naninona ireo olona, tsy naratra na namoy aina, raha araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana hatrany. Azo lazaina ho tsara vintana ihany izy ireo raha oharina amin’ny fahavoazan’ny fiaramanidina nitondra azy ; izay nivadika ambony ambany tanteraka. Betsaka ny loza aterak’itony fiaramanidina kely itony. Vao tamin’ny volana lasa teo no nisy iray nitrosona ihany koa teo amin’ny Aérodrome teo Antalaha, rehefa nisy olana ara-teknika hatrany. Betsaka ny loza aterak’izy ireny eto amintsika, saingy mba tsara vintana hatrany ny ankamaroan’ny mpitaingina ka tsy niafara tamin’ny fahafatesana. Mila fanaraha-maso tanteraka arak’izany alohan’ny hanomezan-dalana hiasa ireny fitaovana ireny, satria ain’olona no lalaovina.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

3 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Dia mba ataovy MARINA ZAY LAZAINAREO GAZETY, fa aiza ve de anarana Fiaramanidina de efa diso, mainka fa ny vaovao lazainareo ? Toa te hilaza aho hoe « MARINA IHANY NY HEVITR’ILAY MPANDINIKA HOE : « ao amin’ny gazety, dia tsy misy marina afa-tsy ny datin’andro ihany » , ny sisa dia lainga itatra avokoa, na marimarina namboalboarina nasiana filirony ! Hahahahh !!!

  2. Mbola ho sendra ny patsa iray tsy omby vava fa aza faly hoe tsy maty!
    Ary mba ahoana ny norme eto amintsika? Tsy mba afaka mamoaka annexe B na C ve isika dia izay fiaramanidina vita frantsay rehetra dia ampidirina ao?

  3. Tsy ATR ilay fiaramanidina fa Cessna.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.