Androndra : Ankizilahy kely 9 taona, maty an-drano

Jacaranda

Omaly  tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo, no nitrangan’ity loza mampalahelo ity. Zazakely iray sahabo ho 9 taona eo ho eo indray no fantatra fa maty an-drano, teny an-tanimbary, teny amin’iny faritra Saropody Androndra iny.  Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa diso nafana be loatra ny andro teny an-toerana ka nisafidy ny hilomano teny an-tanimbary ity zazalahy kely ity. Araka ny vaovao voaray, dia fantatra fa maro ihany ireo ankizy no nilomano teny amin’io toerana io saingy ity zazalahy ity  kosa no namoy ny ainy, tao anatin’izany . Fantatra fa miakatra tanteraka ny rano eny an-toerana ka izay no naha- difotra ity ankizilahy kely ity. Tsy nahavita niantso vonjy akory ity farany, fa dia maty tao. Samy ankizy moa  no nilalao teny ka tsy nisy nahatsikaritra firy ny hoe milentika ny iray tamin’izy ireo . Araka ny loharanom-baovao hatrany, dia voalaza fa efa toerana filomanosan’izy ireo eny an-tanimbary rehefa mafana toy izao ny andro ka izay no mety tsy nahataitra firy ny ray aman-drenin’ity zazalahy kely ity. Rehefa diva ho maloka ny andro vao samy taitra ny maro nahita ity zaza ity efa tsy nisy aina intsony ka teo vao nikoropaka ny mponina rehetra teny an-toerana.

FINARITRA RAKOTO(Stagiaire)

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.